Misy ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny orinasa tsy miankina STOI, anisan’ny mpamokatra zezika biolojika sy ny fanjakana malagasy. Natolotr’ity orinasa ity teny amin’ny ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), ny 31 janoary teo, ny zezika biolojika taroka milanja 10 taonina. Entina hanohanana ny tantsaha mpamokatra, tratry ny rivodoza Cheneso farany […]
Toe-karena
Orinasa madinika : mitombo ny vehivavy mpitantana
Mitombo isa hatrany ny vehivavy mitantana orinasa eto Madgasikara, indrindra fa orinasa madinika sy salantsalany. Raha ny tarehimarika farany navoakan’ny SFI * tamin’ny faran’ny taona 2021, dia 35 % ny vehivavy mitazona orinasa madinika, 28,2 % mitantana orinasa salantsalany, ary 9 % mitarika orinasa vaventy. Eto Madagasikara no anisan’ny be […]
Fotodrafitrasa: mitohy ny fanamboarana ny teleferika
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia 1 febroary teo, ny fampahafantarana ny fivoaran’ny asa fanamboarana ny fotodrafitrasa teleferika, na fitaterana mihantona ampiasana tariby (TPC). Efa manomboka ny fanamboarana ny zotra Anosy-Soarano-Ambatobe. Tsy misy intsony ny sa-kana, satria efa nankatoavin’ny banky Société générale, ny 31 janoary 2023 teo, ny famoahana ny […]
COI : nihena ny jono tsy manara-dalàna
Namarana ny fisafoana ny faha-60 aty amin’ny fari-dranomasina misy azy ny COI (Commission de l’Océan Indien) ny 30 janoary 2023 tao La Réunion. Ny sambo Osiris II nisafo ny fari-dranomasina any Comores, La Réunion, Madagasikara, Maurice, Seychelles ary Tanzanie, nanomboka ny 7 hatramin’ny 30 janoary 2023. Sambo mpanjono 34 voasava […]
Vakinankaratra : zanakazo 6.225 voavoly tany Antsahatanteraka
Natao, omaly, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fambolen-kazo ao amin’ny faritra Vakinankaratra. Nitarika ny fotoana ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, Rtoa Vina Marie-Orléa sy ny governoran’i Vakinankaratra, Rakotovao Vy Vato. Nanotrona ny fotoana koa ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard sy ny minisitry […]




