Notokanana ny 9 janoary 2023 teo, ny masoivohon’ny banky Société générale (SG) Madagasikara, vao nohavaozina eny Ampefiloha. Naharitra telo volana ny asa, ka nohatsaraina tanteraka ny fotodrafitrasa samihafa. Mampiavaka ity masoivoho ity koa ny fisian’ny toerana manokana ampiasana ny teknolojia niomerika, Digital corner, ka mahaleo tena tanteraka ny mpanjifa raha […]
Toe-karena
Matetika ny andro ratsy: mila fiantohana ny tantsaha eo amin’ny fambolena
Araka ny fanadihadiana nataon’ny SFI*, 80 % amin’ny tantsaha tsy te ho matiantoka na very vola fotsiny eo amin’ny fambolena, ka maniry ny hanana fiantohana izy ireo amin’ny asany. Mateti-pitranga rahateo ny vokatry ny andro ratsy eto Madagasikara, haintany na rivodoza. Ahoana ny hiatrehan’ireo mpamboly ny fahavoazana saika isan-taona any […]
Airtel « Quizz Mlay »: fialamboly no fahalalana ankapobeny
Ny 30 janoary 2023, olona telo nambara nahazo loka tamin’ny « Quiz Mlay ». Lalao nampanaovin’ny Airtel ny 13 novambra hatramin’ny 22 desambra 2022. Raholivololona Andriatsilaizina, Saholy Rasoharimalala sy Rakotoarisoa Andrianiriana nahazo izany loka izany natolotra teny amin’ny foiben’ny Airtel Ivandry natrehan’ny mpitsara lalao. « Fanohanana sy fanajana ny mpanjifa izao loka […]
Fampandrosoana: mbola vitsy ny mampiasa nomerika (digitalisation)
Malaza eran-tany izao ny fampandrosoana ny toekarena amin’ny fampiasana ny nomerika. Ny Ligue arabe ohatra, manao tolotra maro momba izany. Fantatra izany avy amin’ireo tolotra nataony tamin’ny fivoriana tany Dubaï tamin’ny herin-taona. Nandray anjara tamin’izany i Madagasikara amin’ny fidirana ny fampiasana nomerika (digitale) ho fanovàna ny fampandehanana ny toekarena. Nampahalalana […]
Lavanila – Varotra ivelany : fitsirihana ny kalitao sy ny fenitra takina
Miara-miasa amin’ny fadintseranana ny ekipan’ny Sampandraharaha misahana ny kalitao sy fepetra momba ny vokatra (SQC)* eo anivon’ny minisitera misahana ny varotra (MICC) amin’ny fitsirahana ny lavanila sy ireo vokatra hafa mialohan’ny fandefasana ireo vokatra any ivelany. Tafiditra ao anatin’ny politika fanadiovana ny fanondranana izany fitsirahana izany, natao indrindra hanamarinana ny […]




