Toe-karena

Antenimieran-doholona : niakatra 50 ha ny nambolena hazo

Niavaka ! Indroa miantoana ny fambolen-kazo nataon’ny fianakaviamben’ny Antenimie­ran-do­holona, ny zoma 3 sy ny asabotsy 4 febroary teo, tany Tsaramandroso, kaominina Manerinerina, distrikan’An­ka­zobe. Nitarika izany ny filohany Razafimahefa Herimanana. Niakatra 50 ha ny velarantany nambolena hazo raha 30 ha ny taona 2022. Niisa 70.000 ny zanakazo nambolena, nahitana kininina, «frêne», acacia, […]

Fampidirana mpiasan’Ambatovy: tanora 47 sy mpiana-draharaha 44 nomena fiofanana

Misy ny fandaharanasa manokana, ny « Internship program », volavolain’ny orinasa, hitiliana ny tanora malagasy manam-pahaizana, homena fiofanana ary homena asa avy eo. Misy koa ny fampiofanana amin’ny seha-pihariana samihafa ho an’ny tanora monina ao amin’ny faritra iasan’Ambatovy. Ataon’ny orinasa Amba­to­vy laharam-pahamehana ny fampidirana ny malagasy eto an-toerana hiasa ao aminy. Nanomboka […]

BAD sy Kanada : manohana PME ho an’ny fahavitan-tena ara-tsakafo

Miara-miombon’antoka ny Banky afrikanina momba ny fa­mpandrosoana (BAD) sy ny governemanta kanadianina ha­no­kana tahiry ho fampirobobo­ana ny orinasa madinika hivelatra amin’ny sehatra fambolena sy fahaleovantena ara-tsakafo Nandritra ny fivoriambe mo­mba ny sakafo tany Dakar, tsapa fa vonona ireo orinasa madinika sy salantsa­la­ny  (PME) ha­meno ny banga ha­melona ny tontolon’ny tontolo […]

Indostria : laharam-pahamehana ny fanaovan-damba

Nivory tao amin’ny minisiteran’ny indostia, ny varotra, ny fanjifana(Micc), omaly 2 febroary, ireo tompon’andraikitra samihafa avy amin’ ny minisitera. Nitarika izany ny tale jeneraly momba ny indostria, Ramindo Gaetan, sy avy ao amin’ny GEFP (1) sy EDBM (2). Nampahafanta­rina ireo dingana tsy maintsy arahina raha hanangana orinasa fanaovan-damba. Anisan’ny dingana […]