Toe-karena

Fid – Distrikan’Ikongo: amboarina ny lalana tena ratsy sy ny lalamby

Anisan’ny toerana iasan’ny Tahirim-bola ho an’ny fampandrosoana (Fid) ny distrikan’Ikongo, faritra Fitovinany. Amin’ny alalan’ny tetikasa « Asa vonjy voina » no hanatanterahana izany, nanomboka ny faramparan’ny volana marsa 2023 teo, nanarenana ny lalana tena ratsy. Nanapotika zavatra ma­ro tany amin’ny dis­trikan’Ikongo ny rivodoza Batsirai tamin’ny taona 2022, indrindra ny trano […]

Ady amin’ny sondro-bidim-piainana : mila ampitomboana ny famokarana anatiny

Anisan’ny ady voalohany amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana ny famokarana anatiny. Voatonona anatin’izany ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny fizarana ireo teknikam-pambolena ho an’ny tan­tsaha. Tafiditra amin’izay koa ny fizarana zezika sy ma­somboly hahafahan’izy ireo mampitombo ny famokarana. Hisy fiantraikany betsaka eo amin’ny lafiny toekarena izany hisorohana ny fiakaran’ny vidim-piainana. “Tsy mbola […]

Antenimierandoholona-Solar Plexuis: nizara traikefa ny Mompera Pedro

Nitsidika ny toby Akamasoa eny Andralanitra ny filohan’ny Antenimierandoholona (PS), Razafimahefa Herimanana sy Alain Orriols, filohan’ny orinasa Solar Plexuis any La Réunion, ny 24 avrily teo. Nizara ny traikefany ny Mompera Pedro, amin’ny lafiny fanorenan-trano, ny fambolen-kazo, ny asa tanana, sns. Misy ny fiaraha-mia­san’ny Antenimie­ran­doholona sy ny Nosy La Réunion, […]

Fitaterana an-dranomasina : mila havaozina ireo seranan-tsambo maro

Anisan’ny lohany eran-tany amin’ny fitaterana an-dranomasina ny Vondrona CMA CGM, izay am-polo taona maro taty amin’ny ranomasimbe Indianina. Mihena ny asan’io orinasa io ankehitriny eto Madagasikara noho ny tsy fahampian’ny seranan-tsambo mihodina tsara, an­koatra ny any Toamasina sy Ehoala any Taolagnaro. Amin’izao fotoana izao, mbola olom-bitsy no mahazo sitraka amin’ny […]