Toe-karena

Bombetoka Beloboka, Mahajanga II: hampandroso an’i Boanamary ny faritra arovana

Misy ny tetikasa entina hiarovana ny faritra arovana any Bombetoka Beloboka, 36 km miala an’i Mahajanga raha an-tanety ary 12 km raha an-dranomasina. Nitsipozipozy ny fiainan’ny mponina taorian’ny nikatonan’ny orinasa mpanao simenitra Amboanio. Anisan’ny vahaolana entina hampandrosoana azy indray ny lafiny tontolo iainana sy ny fizahantany. Faritra nandroso tany aloha […]

Taninketsa indostrialy- Tsiroanomandidy: natsangana ny ozinina mpanodina voanjo ho menaka

Tafapetraka ao Tsiroano­mandidy ny tetikasa “One district, one factory” (ODOF). Araka izany, nahazo milina fanodinana voanjo ho lasa me­naka ny distrika. Ny alakamisy teo, tonga tany an-toe­rana ny minisitry ny Fampi­roboroboana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana, Raza­findravahy Edgard, nitokana izany. Tafiditra anatin’ireo ozinina miisa 75 fanodinana ny vokatra […]

Olan’ny delestazy : natsahatry ny HFF ny milina mpihary herinaratra

Mitady vahaolana hatrany ny orinasa Jirama sy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo amin’ny famahana ny olan’ny fahatapahan-jiro. Tsi­karitra efa mihamihena izany ho an’ny faritra sasany tao­rian’ny fitsinjarana ny solika hamokarana herinaratra. Tsy mbola mivaha tanteraka anefa izany fa mbola misy ireo faritra mampihatra izany toa ny ao Mahajanga, Nosy […]

“Pipeline Efaho”: hampandroso ny lafiny toekarena sy ny sosialim-bahoaka

Hitarika rano 15 tapitrisa metatra toratelo (m3) isan-taona amin’ny reniranon’i Efaho sy hanondraka tanim-pambolena hatramin’ny 80.000 ha ny “pipeline Efaho”. Hanova ny faritra Atsimo ity tetikasa ity ka hanome rano madio fisotro ho an’ny mponina 500.000. Voakasiky ny haintany miverimberina ny faritra atsimon’ny Nosy, izay miantraika betsaka amin’ ireo mponina […]

Fanampiana ireo voafonja : haverina ny asa famokarana sy fizarana traikefa

Hamerenana indray ny hasin’ny famokarana eny anivon’ny fonja, mba hahafa­han’ireo voafonja misakafo ara-dalàna. Ireo no tanjona napetraka tamin’ny fifanaovan-tsonia sy fiaraha-miasan’ ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny minisiteran’ny Fitsarana, afakomaly, tetsy Anosy. Natao izao hampihodinana ny fonja tsirairay sy hanenana ny tetibola lanin’ny fanjakana amin’izany. Fa indrindra hanomezana […]