Toe-karena

Rio Tinto QMM : hampitombo 10 tapitrisa dolara eo amin’ny RSE

Fanaovan-tsonia fifanarahana miisa telo no tontosa teo amin’ny orinasa QIT Madas­gascar Minerals (QMM) sy ireo mpanjono avy ao Hova­traha, Andranokana, Andra­karaka, Amparihy sy avy amin’ny kaominina Ampasy Nahampoana ary i Mandro­mondromotra.Tao koa ireo mpitrandraka hazo fihinamboa (usufruitiers) avy amin’ny mpiara-monina manodidina ny toeram-pitrandrahan’i Mandena. Manamarika ny fanatanterahana ireo fifampidinihana tamin’ny […]

OMD: mampahafantatra ny asan’ny fadintseranana

Toy ny isan-taona, Man­kalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fadintseranana JID (1) isaky ny 26 janoary ny Fiombonamben’ny fadintseranana maneran-tany OMD (2). Lohahevitra noraisina ny hoe «Fanohanana ireo tanora hoavin’ny firenena : hizarana fahaizana sy hanamafisana ny fahaiza-miasa ao amin’ny fadintseranana». Mankalaza izany ny Fadin­tseranana malagasy rahampi­tso 26 janoary. Amin’ny […]

Ben’ny Tanàna Ankilimalinike: hany vahaolana ny hisokafan’ny Base Toliara

Taterin’ny ben’ny Tanàna, fa miha-ratsy ny zava-misy any amin’ny kaominina Ankilimalinike, distrika Toliara II. Sahirana ara-pivelomana ny mponina vokatry ny tsy fisian’ny asa. Vahaolana ny hanokafana ny Base Toliara. Tandindomin-doza ! No­hitsian’ny ben’ny Ta­nàna Ankilimalinike, Mahatoro Longin, fa manjaka ny asan-jiolahy any amin’io kaominina io, satria tsy manana asa ny […]

Varotra any ivelany: efa nisy politika momba ny fanondranana akondro

Efa nanondrana akondro tany Eoropa i Madagasikara tamin’ny 1961, tsy latsaky ny 20 000 t, nitohy nihabetsaka tamin’ny taona 1966, tafakatra 35 716 t. Nisy fotoana nam­pihena izany noho ny andro ratsy saingy tamin’ny Repo­blika voalohany ihany, niezaka nanarina ny fambolena akondro ny fanjakana, nametraka politika manokana nidirana amin’ny tsena eoropea­nina. Nisy […]

Tranoben’ny tantsaha: miady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro

Miezaka amin’izao fotoana ny Tranoben’ny tantsaha, ivon­dronan’ny fikambanan’ny tantsaha samihafa miady amin’ ny fiovaovan’ny toetr’andro. Izany dia misy fiantraikany amin’ny tantsaha mpamokatra sy ny mpanjifa. Hana­tanterahan’ny Tranoben’ny tantsaha, hisy tetikasa iray ho fanalefahana ny fiantraikan’ ny fiovan’ny toetr’andro. Araka ny nambaran’ny Federasiona vehivavy tan­tsaha malagasy, hita taratra mivantana sy ankolaka […]