Toe-karena

RN-6 : manomboka ny fanarenana

Hanomboka ny fanarenana ny lalam-pirenena fahaenina RN 6, manomboka eo Ambondromamy hatreo Am­banja, mirefy 459 km. Mama­tsy vola ny asa ny Banky Iraisam-pirenena, ao anatin’ny Tetikasa fampandrosoana maharitra ny lalana (PDDR) sy ny Asa vonjitaitra sy maika (CERC). Nijery ny fanombohan’ny asa ny minisitry ny Asa vaventy, Hatrefindrazana Jerry, ny […]

ANGOVO MAINTSO: hitarina ho 40 MW ny vokatra herinaratra ao Ambatolampy

New Energy Africa (NEA) ao amin’ny Vondrona Axian, GreenYellow, GuarantCO, African Guarantee Fund (AGF), ary Société Générale (SG), niray hina nanambatra renivola 47,1 miliara ariary (manodidina ny 10 tapitrisa euros) ho famatsiana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro. Samy manana ny mampiavaka azy amin’ny famokarana angovo azo havaozina ireo mpiara-miombon’antoka ireo. […]

Fanarenan-dalana: tsy voatery hisy antso tolo-bidy

Noresahana nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo ny lalana. Na­hatsapa ny fanjakana fa nihazakazakabe ny fahasimban’ny lalam-pirenena nateraky ny vesatry ny fiara mifamezivezy aminy. Lasa niakatrabe tsy mifanaraka amin’ny lanja feran’ny lalàna manan- kery. Fa misy koa ny antony hafa manafaingana ny fahasimbana, toy ny tsy faham­pian’ny fikojakojana […]

COI : manentana ny olona ho fiarovana ny harena voajanahary

Mahazo vahana aty amin’ny faritra ranomasimbe In­dianina ny fanondranana antsokosoko ireo karazana bibidia sy zava-maniry arovana. Tsy mahakasika ny tontolo iainana ihany ny fiantraikan’ izany, fa eo amin’ny lafiny fahasalamana sy ny toekarena ihany koa. Tombanana 7 ha­tramin’ny 23 miliara dolara isan-taona ny fanondranana antsokosoko atao amin’ireo, ary betsaka ny […]