Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Produir ny fanadiovana ny lakandrano C3. Ho vita amin’ny mai 2025 ny asa. Mirefy 12 km ny lakandrano C3. Miainga eny amin’ny honahona Anosibe, Andavamamba, 67 ha, Antohomadinika, hatrany amin’ny toby fitantanana ny fivoahan’ny rano eny Ambodimita. Manatanteraka ny Tetikasa fampandrosoana ny tanàn-dehibe sy fiatrehana ny […]
Toe-karena
Motomorini: efa eto Madagasikara ny X-Cape 650
Tonga eto Madagasikara ny modely vaovao amin’ireo moto marika Italianina Motomorini, ny « X-Cape 650 ». Vaovao tanteraka na ny endriny na ny moterany izay « Bicylindre en L, 4 temps » ary Cylindrée 649 cm3 izay mampiavaka azy amin’ny hafa. Manana tanjaka hatrany amin’ny 60 chevaux sady mahavita halaviran-dalana 170 km […]
Foire internationale de l’Agriculture (FIA): nanandratra avo ny fampivoarana ny famokarana
Tratra ny tanjona ho an’ireo mpikarakara ny Tsenabe iraisam-pirenena ho an’ny famokarana (FIA) andiany fahenina, teny amin’ny Parc des Expos Forello, Tanjombato, ny 12-15 septambra teo. Nisongadina nandritra ny efatr’andron’ny hetsika ny voka-pamokarana malagasy sy ny fanavaozana ary ny fampivoarana izany. Nanamarika ny hetsika tamin’ity andiany ity ny « Village biolojika » […]
Famokarana siramamy: Hatsaraina ireo fotodrafitrasa
Tonga nidina ifotony tany Ambilobe, ny sabotsy teo, ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), Ralambofiringa David, nijery ny zava-misy ao amin’ny ozinina mpamokatra siramamy, taorian’ny dinika niarahany tamin’ny praiminisitra Ntsay Christian. Niara-dia tamin’ny minisitra ny tale jeneralin’ny Fambolena eo anivon’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, ny […]
Salon de la Créativité Voatra: hifantoka amin’ny fanavaozana sy fahasamihafana
Mitaky zava-baovao sy tolotra samihafa manaraka ny fenitra takin’ny tsena ny fandraharahana hampaharitra ny tetikasa. Tokony hanana kalitao sy vokatra mampiavaka azy ny mpandraharaha. Ilaina ny fanavaozana sy ny famoronana mba hanatsara ny tontolon’ny fandraharaharana sy hampaharitra ny tetikasa. « Tsy ampy ny famoronana ataon’ireo mpandraharaha malagasy fa zatra maka tahaka […]