Manamafy ny fepetra horaisina, manoloana ny tsy fanajana ny fenitra ara-piarovana amin’ny fitaterana kaontenera, ny fitondram-panjakana. Hita mantsy fa mbola misy ny mpitatitra tsy manaraka ny lalàna, araka ny didy lah-148 823/2003, indrindra ny fampiasana ny « twist lock », izay fitaovana fiarovana tsy maintsy ampiasaina hitazomana ny kaontenera eo ambony fiarabe. […]
Toe-karena
MUSTIS : Hijery ny tombontsoa ara-toekarena sy fampiasam-bola maharitra
Hifantoka betsaka amin’ny fampiroboroboana ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fampiasam-bola eo amin’i Madagasikara sy Etazonia ny Madagascar–United States Trade and Investment Symposium (Mustis). Roa andro nijeren’ny andaniny sy ny ankilany ny soa fanararaotra ho an’ireo Malagasy sy amerikanina mpandraharaha momba ny varotra sy ny fampiasam-bola. Mino sy matoky ny fiaraha-miasa […]
VAOVAO TAMBATRA
Tafakatra 6 500 indray ny kilaon’ny tongolobe eny amin’ny tsenan’Andravoahangy. Nambaran’ireo mpivarotra fa ao anatin’ny vanim-potoana tsy fisian’ny vokatra izao. Avy any Ambatomanoina sy Mampikony ary Morondava no tena mamatsy an’Antananarivo. Efa nahatratra 8 000 Ar ny kilaon’ny tonglobe tamin’ny taona 2025 amin’ny vanim-potoana toy izao. Tafakatra 3 000 Ar ihany koa […]
Tetikasa Decim, Toamasina II – StarTimes: Nanolotra jiro avy amin’ny masoandro 1 200
Napetraka ny tetikasa Decim, famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, asa vonjy taitra, hanampiana ireo traboina, vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani tany Toamasina farany teo. Miahy azy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH) sy ny ao amin’ny Fampiroboroboana ny niomerika, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra (MNDPT). Nambaran’ny talen’ny Varotra StarTimes, […]
Fampandrosoana: Vonona hanohana i Frantsa
Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy Frantsa ny dinika nifanaovan’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP), Raharimanjato Ny Riana Nampoina, sy ny masoivoho frantsay miasa eto Madagasikara, Arnaud Guillois, omaly. Voaresaka manokana tamin’izany ireo tetikasa goavana toy […]




