Nidina ifotony tany amin’ ny kaominina Fotadrevo, distrika Ampanihy, faritra Atsimo Andrefana, ny alakamisy 16 avrily teo, ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Andriamparany Carl. Notsidihiny tamin’izany ny toeram-pitrandrahana misy ny tetikasa Molo. Fitrandrahana mamokatra manjarano na grafita. Mamokatra 17 000 taonina, isan-taona, ny orinasa NextSources. Akora aondrana any ivelany, […]
Toe-karena
Ladoany : Tafatsangana ny Sendikan’ny inspektera SIDM
Notanterahina ny zoma 17 avrily teo ny fivoriambe ara-potoana voalohany, an’ny Sendikan’ny inspekteran’ny Ladoany eto Madagasikara (SIDM). Fotoana nankatoavana ny sata mifehy sady nanitsiana ny andininy sasany ihany koa. Tafapetraka ny mpikambana isam-baomiera ao anaty birao mpitantana, hanatanteraka ny vinan’ny sendika. Nambaran’ny filohan’ny SIDM, i Daramanana Andriamanalina Herizo Geroges, fa […]
Ho fanamafisana ny niomerika : Solosaina 100 ho an’ny Oniversiten’i Toliara
Tsy afa-misaraka ny fikarohana sy ny teknolojia niomerika. Manohana ny fahombiazan’ny mpianatra ny fanjakana, amin’ny alalan’ny fampitaovana ny Oniversite. Nisitraka fampitaovana avy amin’ny minisiteran’ ny Haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT) ny Oniversiten’i Maninday-Toliara, nandritra ny fandalovan’ny minisitra Andriamampiadana Mahefa tany an-toerana, ny faran’ny herinandro teo. Tanjona ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Miverina amin’ny laoniny ny toe-draharaha eto amintsika taorian’ireo filaharambe teny amin’ny tobin-tsolika, ny herinandro teo. Nanahy mafy ny famatsiana ireo mpampiasa fiara ka nisy ireo nampiasa ny tahiry teo am-pelatanany nentina nividianana solika. Nisy ihany koa ireo nanararaotra nanao varo-maizina ka nampakatra hatrany amin’ny 12 000Ar ny litatry ny lasantsy. […]
Crédit Bail- BMOI: Fampanofana fitaovana ho an’ny orinasa
Manome tolotra vaovao ho an’ny mpanjifa ny banky BMOI. Ahafahana manohana ireo mpandraharaha, orinasa madinika sy salantsalany na vaventy tsy ankanavaka. Antony, maro ny orinasa te hanatsara na hanitatra ny ambaindahin’ny fihariany, saingy tsy ampy ny tetibola eo am-pelantanana. Izay no nahatonga ny BMOI, nametraka ny tolotra « Crédit Bail […]




