Toe-karena

BGFI-Airtel Money: Azo atao ny famindram-bola amin’ny finday

Natao sonia, ny 16 avrily teo, ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny banky BFGI Madagasikara sy ny Airtel Money. Fia­raha-miasa mifantoka amin’ny fampiasana ny tolotra MBan­king, azo hamindram-bola eo amin’ny roa tonta. Fomba tsotra, haingana ary azo antoka amin’ny fifamindram-bola, ampia­sana ny finday. Ho an’ny Airtel Money mankany amin’ny kaonty BGFI, tsindriana […]

Salon de la créativité Voatra : Vonona handraharaha eto amintsika ny maraokanina

Soa fanararaotra ho an’ny fampandrosoana ny toekarena ny « Salon de la créativité Voatra », andiany faha-12. Vonona hanohana ny fandraharahana malagasy hampiasa vola eto amintsika i Maraoka. Hanampy antsika hitrandraka ny tsena maraokanina sy hanokatra lalam-barotra any an-toerana ny Salon de la Créativité Voa­tra, andiany faha-12. Hetsika atao mandritra […]

VAOVAO TAMBATRA

Ho tapaka ny Lalam-pirenena RN2, PK61 –PK 63 anio 17 avrily, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro hatramin’ny 2 ora tolakandro. Antony, hisy ny fanapoahana vato, ilaina amin’ny asa fanarenana ny lalana. Tsy misy ny lalam-piviliana azo ifamoivoizana mandritra io fotoana io. Misy ny fandaminana apetraky ny tomponandraikitra eny an-toerana. Liana […]

Japon-OIM : Fampitaovana ho an’ny alika mpitsirika

Natolotra, omaly, 16 avrily, ny fitaovana maro, ilaina amin’ny fitaizana manokana ny alika mpitsirika, miasa eny amin’ny seranam-piaramanidina. Ny sampana « Brigade canine » an’ny fadintseranana malagasy no misitraka azy ireo, fampitaovana avy amin’ny Masoivoho Japoney, amin’ ny alalan’ny Rafitry ny firenena Mikambana misahana ny fifindra-monina (OIM). Fitao­vana ahitana karazany maherin’ny 20, […]