Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Nitombo 5 000 Ar avy isaky ny tavoahangy ny vidin’ny entona gazy. Noho ny fampiharana ny tatao 20% avy amin’ny hetra TVA no nahatonga izany, fa tsy mbola noho ny fidangan’ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Lasa 74 000 Ar ny vidin’ny tavoahangy milanja 9 kilao, raha 69 000 Ar teo aloha. Lasa […]

Filatex Energies : Angovo avy amin’ny rivotra 5MW any Antsiranana

Mandroso ny fananganana ny fotodrafitrasa mamokatra herinaratra avy amin’ny rivotra, «éolien» any Antsiranana. Tompon’antoka amin’ny fametrahana azy ny orinasa Filatex Energies, izay fotodrafitrasa faharoa eto Madagasikara. Vo­alohany kosa ny any Tao­lagnaro, an’ny orinasa QMM, izay efa mihodina tanteraka. Miisa enina ny andrim-by lehibe napetraka any Antsi­ra­nana. Hamokatra herinaratra manana tanjaka […]

Task Force : Miroso ny famerenana ny Air Madagascar

Fanamby napetraky ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM), Andrianavalona Herizo ny hamerina indray ny kaompania Air Madagascar. Efa mitsangana ny vaomiera manokana Task Force, hisahana ny fanatanterahana izany. Anisan’ny fanirian’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, nanaiky ny hamerenana ny kaompania Air Madagascar nandritra […]

VAOVAO TAMBATRA

Hotanterahina ny talata 10 jona ny fanaovan-tsonia ny «Accord de partenariat économique». Fifana­raham-piaraha-miasa eo amin’ny Vondrona eoropeanina sy ireo Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Tafiditra ao anatin’izany i Madagasikara, Kaomoro, Maorisy ary Seychelles. Tanjona ny hanamafy orina ny fiaraha-miasan’ny roa tonta sy hampandrosoana ny toekaren’ireo Nosy aty amin’ny faritra. Mitentina […]

Ady amin’ny kolikoly : Mifanome tanana ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina

Vita sonia ny alakamisy teo, teny Ivato, ny fifanaraham-piaraha-miasa stratejika eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fiarahamonim-pirenena, niarahan’ny governemanta sy ny Transparency Inter­national. Tanjona ny hiadiana amin’ny kolikoly, hanamafisana ny fitantanana mangarahara eo amin’ny sehatra tsy miankina. “Mi­antoka ny fisarihana fampiasam-bola sy ma­natsara ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara ny […]