Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Tokony hampitomboina in-27,3 ny fidiram-bola eto amintsika vao mahatratra ny fari-piainana iraisam-pirenena voatondro ho 25 isan’olona, isan’andro, i Madagasikara. Misongadina ny tsy fitoviana lalina eo amin’ny firenena. Amin’ny ankapobeny, tokony hampotomboina indimy dia tratra io fetra voalaza io. Mitentina 2 734,8 miliara Ar ny vola niditra tamin’ny fadintseranana nandritra ny […]

Taom-piotazana letisia: mila miomana mialoha ny mpisehatra

« Afaka mandray anareo ireo biraom-panjakana mpikirakira ny antotan-taratasy ilaina amin’ny fanondranana letisia », hoy ny talem-paritra misahana ny fotodrafitrasa sy fampiroboroboana ny eny ambanivohitra, Laurent Jean Maurice, ny zoma teo, teny amin’ny birao fiasany. Hatao izao mba hisorohana ny fahatarana sy ny filaharam-be eo amin’ny « guichet unique ». Nambarany fa hisokatra aorian’ny […]

Fampiroboroboana ny toekarena: Miara-miasa ny CCIFM sy ny Carrefour des entrepreneurs

Hampiroborobo ny toekarena sy ny fandraharahana aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny fiaraha-miasan’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria France-Madagascar (CCIFM) sy ny Carrefour des entrepreneurs. Hitondra tombontsoa betsaka eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana ny fiaraha-miasa. Hanampy amin’ny fampiroboroboana ny toekarem-pirenena sy ny fifanakalozana koa izany satria samy aty amin’ny ranomasimbe Indianina avokoa […]

VAOVAO TAMBATRA

Vonona hamokatra angovo avy amin’ny fanodinana fako ny orinasa Cambridge Industries. Manodidina ny 150 tapitrisa dolara ny fampiasam-bola hataony, hamokarana angovo 50 MW, ka avy amin’ny fako eny Andralanitra ny 20 MW, raha avy amin’ny masoandro ny 30 MW. Mahatratra 7 500 ny asa hiforona amin’izany. Nisy ny fihaonan’ny mpitantana […]

Tranoben’ny Tantsaha : fanamafisana ny fiofanana ho an’ny mpikambana

Nihaona tamin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Hajarison François, ny delegasiona notarihin’ny fi­lo­han’ny Tranoben’ny tantsaha mpamokatra, Razafim­bololona Angeline, ny 23 oktobra teo. Nangataka fiaraha-miasa sy tohana avy amin’ny minisitera ity fikambanana ity hanamafisana ny fampiofanana ny mpikambana, entina hampitomboana ny vokatra. Nambaran’ ny minisitra fa hisy ny fihaonambe […]