Anisan’ny foto-piveloman’ny mponina ny jono ao amin’ny farihin’Andranotapahana Ambohidratrimo. Mamatsy hazandrano an’i Talatamaty sy Ambohidratrimo ary indrindra ny aty an-dRenivohitra. Nandrotsahana zana-trondro tilapia miisa 25 000 tao amin’ny farihy, ny 23 oktobra teo, avy amin’ny fikambanana Fanilon’i Marovatana sy ny fikambanana Ezaka Firaisankina. Natao ity hetsika ity mba hiteraka tombontsoa […]
Toe-karena
Tontolo iainana : misy tetikasa hiarovana ny alan’Ankarafantsika
Anisan’ny valanjavaboahary marefo ny ala maina an’Ankarafantsika. Misy ny tetikasa hiarovana azy, iarahan’ny mpiara-miombon’antoka eto an-toerana sy iraisam-pirenena. Nampahafantarina ny 23 oktobra teo ny tetikasa «Ala maiky Ankarafantsika», entina hanamafisana ny fiarovana ny alan’Ankarafantsika, tantanin’ny Madagascar National Parks (MNP). Famatsiam-bola manokana avy amin’ny Tahirim-bola ho an’ny faritra arovana sy ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Nizarana karatra maha mpamokatra ny tantsaha any Ihosy, any amin’ny faritra Ihorombe, ny alakamisy teo. Natolotra tamin’io fotoana io koa ny taratasy maha mpamokatra masomboly matihanina ny tantsaha any Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony ary Ihorombe. Teo koa ny fampisehoana ny fampiasana ny milina fanetsana enti-tanana, novokarin’ny tetikasa Defis, eo ambany […]
Vatomandry – Mahanoro : hamboarina ny lalana tena ratsy
Nanome toromarika ny minisitry ny Asa vaventy, Rafidison Richard Théodore, ny hanarenana haingana ireo lalana tena ratsy eto Madagasikara. Nidina ifotony avy hatrany ny teknisiana, ka anisan’ny efa manomboka ny fanamboarana ny toerana tena ratsy amin’ny lalam-pirenena mampitohy an’i Vatomandry sy Mahanoro (RN 11A). Anisan’izany ny eo amin’ny PK 53 […]
Harinkarena faobe : hampakarina 30% ny anjaran’ny indostria
Vinan’i Madagasikara ny hampakatra hatrany amin’ny 30% ny anjara entin’ny indostria ao amin’ny harinkarena faobe. « Lalana mitondra amin’izany ny fanomezan-danja ireo loharanon-karena sy ny fanodinana eny ifotony hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Antony nanaovana ny tetikasa One district one factory, ahafahana mampisongadina ireo tombony mampiavaka ny faritra », hoy ny minisitry ny […]