Toe-karena

Fifanakalozana ara-barotra : nankatoavin’i Madagasikara ny fifanarahana Zlecaf

Hitondra tombontsoa ho an’ny mpandraharaha sy hampiroborobo ny fifanakalozana ara-barotra ary ny toekarem-pirenena ny fankatoavan’i Madagasikara ny Zlecaf. Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia, ny fankatoavana ny fifanarahana fametrahana ny faritra malalaka ara-barotry ny kaontinanta afrikana (Zlecaf). Tanjona ny hanamora ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ireo firenena mpikambana ao […]

VAOVAO TAMBATRA

Hafindra eny Bongatsara, atsimondrano, ny toby fitahirizan-tsolika etsy Ankorondrano. Hatao izany, noho ny fananamboarana lalana vaovao eny Anko­rondrano mankeny amin’ny kianja Maki Andohatape­naka. Etsy ankilany, miisa 65 ny ampahatany hananganana ny fitahirizan-tsolika eny Bongatsara. Hiantohan’ny orinasa Logistique Petrolière ny fanonerana ny tompon-tany. Tanterahana ao Mahajanga ny 24 ka hatramin’ ny […]

Taom-pamokarana letisia 2024 : hihena ny vokatra, lasa aloha ny fiotazana

Toy ny tamin’ny taona 2016, hotazana mialoha ny letisia any amin’ny faritra atsinanana ho an’ity taona ity. Vinavinaina ho eo anelanelan’ny 11 sy 14 novambra izany, hoy ny ivontoerana teknika mpanara-maso ny famokarana ao Toa­masina (CTHT). Hihena ihany koa ny vokatra noho ny habe­tsaky ny orana hatramin’ny niandohan’ny volana oktobra, […]

Salon international de l’habitat : Omen-danja ny tontolo iainana

Miavaka ny « Salon internationale de l’habitat » andiany faha-26 atao eny amin’ny Forello Expos Tanjombato, nanomboka ny 24 ka hatramin’ny 27 oktobra. « Omen-danja manokana ny tontolo iainana sy ny fikarohana mifandray aminy », hoy ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy toeram-ponenana, Andriamanohisoa Gerard, omaly, nandritra ny fanokafana ny hetsika. Mivoatra, hoy […]

Optima Business : hisondrotra 20% ny faktioran-jiron’ny orinasa

Hampiakarina ny saran’ny herinaratra ho an’ny orinasa indostrialy. Fanapahan-kevitra efa nifanarahan’ny fanjakana sy ny Vondrona orinasa tany aloha ity hampiharina ity. Nivoaka tao amin’ny fi­lan­kevitry ny minisitra, ny 23 oktobra teo, fa nankatoavina ny fanitsiana ny saran’ny herinaratra Jirama, ao anatin’ilay sokajy « Optima Business ». Voakasik’izany ny orinasa indostrialy mampiasa tanjaka […]