Manentana ny rehetra ho mailo sy hanjifa ny solika eny amin’ireo mpaninjara ara-dalàna sy manana fankatoavana ny OMH. Manentana ny tsirairay hitoroka ny tranga hafahafa eny anivon’ireo tomponandraikitra izy ireo. Mamotika ny toekarena sy manimba ny fiara ny solika mitapoka ary voararan’ny lalàna ny fanaovana izany. Napetraka ny faritra hanandratana […]
Toe-karena
Tao anatin’ny telo volana fahatelo : 444 ireo orinasa ara-dalàna niforona
Mitotaly 444 ny antontanisana orinasa nisoratra anarana eo anivon’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) tao anatin’ny telo volana fahatelo, ny taona 2024. 82,6% izany dia misehatra eo amin’ny tontolon’ny fanorenana, ny tsena, ny tolotra ary ny niomerika. Porofo izao fa manomboka mahazo vahana eto amintsika ireo sehatra ireo. Na […]
Arabe migodana : hafainganina ny fanaovana ny asa
Hanomboka ny asa miainga eny Ambodifasina, mankany Ambohimanga, amin’ny fanamboarana ny arabe migodana. Tokony ho vita amin’ity taona ity ny 80 km ka godirao ny 15 km. Tonga eto Madagasikara ny iraka ny tarihin’ny tale jeneralin’ny orinasa egyptiana Samcrete, sampana Afrika, Alexandre Bernardo. Anisan’ny nihaona taminy, omaly 23 oktobra, ny […]
Angovo : hampiroboroboana ny fandrahoana madio
Dingana vaovao! Nampahafantarina, omaly, ny fanombohana ny Fandrahoan-tsakafo madio ho an’ny rehetra eto Madagasikara (MCCI). Iarahan’ ny fanjakana, amin’ny alalan’ ny minisiteran’ny Angovo (MEH), ny Indostria sy varotra (MIC), ny Tontolo iainana (Medd), ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika iraisam-pirenena (SeforAll, Pnud, Onudi, Pam, WWF, UKAid, MECS, Opec Fund), ny sehatra […]
VAOVAO TAMBATRA
Noraisina ny fahavitan’ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-44, tapany faharoa, (Amboasary-Vohidiala: PK 60 – Pk 133), ny 17 oktobra teo. Tsiahivina fa nanao ny asa ny orinasa sinoa CRBC, fa namatsy vola ny asa kosa ny Banky iraisam-pirenena tamin’ny alalan’ny tetikasa Pact. Nitombo avo telo heny ny vokatra ronono ary […]