Marefo avokoa ny ankamaroan’ny rafitra eto Madagasikara. Miteraka sakana ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny lafiny sosialy izany. Mbola voafetra ny fitomboan’ny harinkarena satria ambany ny famokaran’ny sehatry ny fambolena, eo koa ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa, ny fisian’ny loza voajanahary miverimberina, araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena. Mananosarotra koa, […]
Toe-karena
Fiompiana : Ahazoana tantely 15 kilao ny tohotra iray
Seha-pihariana mahasoa sady azo haondrana any ivelany ny fiompiana tantely. Mbola kely ny vokatra eto amintsika, ka apetraka ny paikady hampiroboroboana azy. Natao teto Antananarivo, ny 29 mey teo, ny Dinika hampiroboroboana ny seha-pihariana tantely. Efa vita ny dinika natao tany amin’ ny faritra miisa sivy, ka aravona ny angon-kevitra, […]
VAOVAO TAMBATRA
Voafidy ho filohan’ny “Alliance Régionale pour la Vanille” (ARV) Analanjirofo-Ambatosoa, Randrefahanana Ibrahim Anson. Hisolo tena ny mpisehatra eo anivon’ny “Alliance pour la Vanille de Madagascar” (AVM) i Iarindresy Simon sy Franck. Zava-dehibe ny hananganana rafitra ARV/AVM ahafahan’ireo mpisehatra mandray anjara amin’ny fanatsarana sy fikarohana vahaolana ho an’ny seha-pihariana lavanila. Ity […]
Fomba fisaina : Zon’ny vehivavy ny miaina ny fadimbolana
Fanamby lehibe ho an’i Madagasikara ny fananana fotodrafitrasa hampandrosoana ny fiainam-piarahamonina. Nivoitra izany nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny Fidiovana mandritra ny fadimbolana (JMHM), ny 28 sy 29 mey teo, tany Tsiroamandidy, faritra Bongolava. Fotoana iray nanentanana sy nanamafisana ny fiaraha-mientana mahakasika ny olana sy ny fanamby mifandraika […]
Fandriana : Atao lalam-pamokarana ny 40 km
Maro ny tohana omen’ny fandaharanasa Defis any amin’ny distrikan’i Fandriana, faritra Amoron’i Mania. Anisan’izany ny fanamboarana ny « Lalam-pamokarana », mirefy 40 km, notokanan’ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kolonely Randrianirina Michaël sy ny minisitry ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (MiASA), Ramindo Gaëtan, ny 23 mey teo. Voakasik’ity asa fanarenana ity ny lalana […]





