Mitohy ny fanavaozana ny fitantanan-draharaha ao amin’ ny fadintseranana malagasy. Anisan’izany ny tetikasa «Mandroso», tohanan’ny Fiaraha-miasa amerikanina (Usaid) amin’ny alalan’ny fandaharanasam-pampandrosoana (Pnud), hanarahana ny fenitra iraisam-pirenena ny ladoany. Nomena ny teny filamatra hoe: «fanavaozana manaraka ny toetrandro ny fadintseranana, hitondra fitomboana ara-toekarena». Tanjona ny fitantanana mangarahara, sahaza ny rehetra. Miisa […]
Toe-karena
Fibre’in: tolotra internet mora indrindra aty Afrika
Manome tolotra vaovao ho an’ny mpanjifa indray ny orinasa Telma. Sahaza ny daholobe sy ny olon-tsotra ny «Fibre’ in», ampiasana internet amin’ ny alalan’ny tambajotra «fibre optique» (F.O) amin’ny sarany mora, 49 000Ar, ahazoana tanjaka 100 GO isam-bolana. Notsorin’ny administratera tale jeneraly (ADG), Patrick Pisal Hamida, omaly, fa mora indrindra […]
Mpizahatany 1 tapitrisa: hiampy 11 500 ny efitrano fandraisam-bahiny
Tanjona ny hahatongavan’ny mpizahatany 1 000 000 amin’ny taona 2028. Mila homanina koa ny fotodrafitrasa, toy ny fampitomboana ny efitrano fandraisam-bahiny. Tanjona lehibe napetraky ny fanjakana, hotanterahin’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA), ny hisarihana mpizahatany miisa 1 tapitrisa amin’ny taona 2028. Misy ny paikady napetraka hanatrarana io tanjona io. […]
Rencontre des dirigeants : Tosika ho amin’ny fandraharahana
Fahombiazana. Nizara traikefa sy namelabelatra ireo foto-kevitra sy paikady ary fomba fanaon’ireo mpanao fanatanjahantena matihanina eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana, ny sabotsy teo, teny amin’ny Club Olympique de Tananarive (Le COT) Ankadikely Ilafy, ny Dr Fabrice Lollia. Notsindriny manokana fa « ilaina ny fifantohana sy fahavonona hahombiazan’ny fandraharahana sy ny fitantanana orinasa ». Maro, […]
VAOVAO TAMBATRA
Mahatratra hatramin’ny 100 miliara Ar ny vola miditra amin’ny Jirama isam-bolana raha toa ka eo anelanelan’ny 140 ka hatramin’ny 170 miliara Ar ny fandaniana ataony. Noho izany, tsy maintsy manohana ara-bola ny Jirama ny fanjakana. Mivarotra herinaratra amin’ny fatiantoka ny orinasa satria 22 cents/KWh, izany hoe, 1000Ar ny vidin’ny famokarana, […]