Manao antso avo hanovana ny fijery ara-toekarena ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, nandritra ny fanokafana ny “Ceo Summit Indian Ocean”, andiany faharoa, teny amin’ny Novotel Ivandry, omaly. Nasongadiny fa « avokavoka mampiaina sy mampandroso ny firenena ny mpandraharaha ». Nifantoka tamin’ny zava-misy sy ny olana […]
Toe-karena
VAOVAO TAMBATRA
Mitentina 183 tapitrisa dolara ny vola mety ho azon’i Madagasikara ao anatin’ny Facilité élargie de crédit (FEC) sy ny Fonds pour la résilience et la durabilité (FRD) an’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI). Vita omaly ny iraka momba ny fanombanana fahatelo sy fahefatra ireo fandaharanasa vita. Mbola misy ny tetikasa mila jerena […]
Fampandrosoana ny toekarena: Mifameno i Madagasikara sy Maraoka
Firenena matanjaka, manana maodely ara-toekarena azon’i Madagasikara hiara-miasa i Maraoka. Antony nahatonga ny Antenimieran’ny Varotra sy ny indostria eto Antananarivo (CCIA) niantso azy mandritra ny « Salon de la créativité Voatra, andiany faha-12. « Manana tombony sy traikefa ary fahaiza-manao avo lenta i Maraoka, mifameno amin’i Madagasikara », hoy ny filohan’ny CCIA, Razafintsalama […]
Ceo Summit 2026 : Hotanterahina manomboka anio
Tanterahina androany sy rahampitso, etsy amin’ny Novotel Ivandry, ny Ceo Summit, andiany faharoa. Hetsika ara-toekarena goavana aty amin’ny ranomasimbe Indianina izy ity. Hivondrona amina toerana iray ireo mpisehatra ara-toekarena maro avy amin’ireo firenena manodidina sy aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Tanjona ny hampifandray ny vina, hampiroboroboana ny toekarena. Hisongadina mandritra ny […]
Famatsiana solika : Ampy ny tahiry eto Madagasikara
Manana tahirin-tsolika hatramin’ny 21 avrily i Madagasikara saingy mikorontana ny fitsinjarana ka mahatonga ireo tobin-tsolika manana tahiry na tsia. Mitohy ny famatsiana ary andrasana ho tonga amin’ny herinandro ny sambo mpitatitra solika manaraka. «Misy ny solika saingy mila alamina ny fitsinjarana azy». Nivoitra izany nandritra ny valandresaka nataon’ny tale jeneralin’ny […]




