Ankoatra ny olan’ny rano eto Antananarivo sy ny manodidina, mitoetra koa ny lafiny famatsian-jiro. Nambaran’ny filoha Rajoelina, omaly, ny tranga noho ny hamehana, “cas d’urgence”, amin’ny herinaratra. Nivory niaraka tamin’ny solontenan’ny Banky iraisam-pirenena ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Nanatrika tao koa ny mpisehatra rehetra amin’ny angovo sy ireo mpitantana ny […]
Toe-karena
AVG SY NY BIANCO : nohamafisina ny fiaraha-miasa
Natao sonia, omaly, ny fanavaozana ny fiaraha-miasa eo amin’ny vovonana fiarahamonim-pirenena Alliance Voahary Gasy (AVG) sy ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco). Fanintelony ity fiaraha-miasa hiadiana amin’ny kolikoly amin’ny sehatry ny harena voajanahary ity, efa natomboka ny taona 2018. Nilaza ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny AVG, Razakamanarina Ndranto, fa zava-dehibe […]
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 11 500 ny efitrano fandraisam-bahiny vaovao haorina, entina hampiantranoana ny vahiny sy ny mpizahatany ho avy eto Madagasikara. Tsy voatery ho mpizahatany mahazatra ny hanjifa azy ireny fa eo koa ny mpandraharaha hampiasa vola aty amintsika. Anisan’ny paikady hanatrarana mpizahatany sy vahiny miisa 1 000 000 mitsidika an’i Madagasikara amin’ny […]
Tosika ho an’ny e-commerce : misokatra ny Orange Shop
Manakaiky sy manome fahafaham-po ny mpanjifa hatrany ny Orange Madagascar. Nampahafantarina omaly, tetsy Soarano, ny Orange Shop eo anivon’ny tranokalan’ny www.orange.mg. Tolotra hahafahan’ireo mpanjifa mividy finday sy kojakoja isan-karazany ary tolotra samihafa ana habaka eo anivon’ny orinasa Orange Madagascar manerana ny Nosy. « Tsy voatery hanatona botika Orange intsony ireo mpanjifa […]
Fandraharahana : miara-midinika ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina
Hanatsara ny sehatry ny fandraharahana eto Madagasikara ny dinika ho an’ny fifanakalozan-kevitry ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina. Voaresaka ny tomban’ezaka sy ny fanamby. Fifanakalozana. Natao teny Ambodivona, omaly, ny dinika fahafito ho an’ny fifanakalozan-kevitry ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina (7ème table ronde économique) momba ny fandraharahana […]