Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Tonga niantsona tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, teo amin’ny “Quai C4” ilay sambo lehibe GSL Arcadia, mirefy 277 m. Mbola izy ihany koa no sambo lehibe voalohany nampiasa ny ampahany vaovao amin’ity fotodrafitrasa mirefy 333 m ity. Miomana handray sambo lehibe kokoa i Toamasina, amin’ny alalan’ity fotodrafitrasa ity. Tetikasa natao hanamafisana […]

Madagascar Airlines : Miara-miasa amin’ny kaompania Ewa

Vita sonia ny herinandro teo ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny kaompania Madagascar Airlines sy ny Ewa Air. Fiaraha-miasa mifantoka amin’ny fizarana “codeshare” izay ahafahan’ny kaompania malagasy mivarotra ny sidina tantanin’ny Ewa Air amin’ny code MD. Tanjona ny hanitarana ny tambajotra ana habakabaka ka hampifandray an’i Mayotte amin’Antanana­rivo, Antsira­nana, Mahajanga ary Nosy […]

Vokatra fanondrana : Natao lavanty ny lavanilan-dRavatomanga

Natao lavanty ampahibemaso tao amin’ny efitrano fitsarana ambony ao Toamasina, ny 26 marsa teo, ny lavanilan’ny mpandraharaha Ravatomanga Mamy. Vokatra tao anatina kaontenera miisa 15, nihitsoka tao amin’ny seranan-tsambo tao an-toerana. Nitarika ny hetsika ny sampandraharaha misahana ny famerenana ny harena sy vola azo amin’ny tsy rariny ho anatin’ny kitapom-bolam-panjakana. […]

Tsenan’ny vola : Mivoaka ny « courbe des taux » ho an’ny Ariary

Navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) tamin’ny fomba ofisialy ny “courbe des taux de référence” ho an’ny Ariary, nandritra ny lanonana natao teny Antaninarenina. Nanamafy izany ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa tamin’ireo banky enina mpandray anjara. “Ny courbe des taux dia mampiseho ny rafitry ny tahan’ny zanabola amin’ny fifanakalozana eo amin’ny banky amin’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Maherin’ny 1 tapitrisa ireo hisitraka mivantana ny tombontsoa avy amin’ny “Programme intégré d’assainissement d’Antananarivo 2” (PIAA 2). Tetikasa miompana amin’ny fanamboarana ny lakandrano hisorohana ny tondradrano amina faritra maro eto an-drenivohitra. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma teo ny dingana voalohany amin’ny tetikasa. Hanombohana azy ny eo Analakely, Antanimena ary […]