Maherin’ny 50 taonina ny lohamenaka Ylang Ylang naondran’i Madagasikara ny taona 2023. Mbola ambanin’ny 125 taonina izay naondrana ny taona 2019 sy ireo 600 taonina naondrana tany aloha izany. Niantraika betsaka teo amin’ny seha-pihariana ny krizin’ny Covid-19 sy ny lalàna vaovao momba ny tontolo iainana. Andro maneran-tany ho an’ny vehivavy […]
Toe-karena
Sakafo andavanandro : ambany ny taham-pihinanana atody
Manodidina ny 20 isan’olona, isan-taona, eo ny taham-pihinan’ny Malagasy atody, raha toa ka maherin’ny 67 izany ao Afrika. «Tsy mahavantana ny Malagasy ny fihinanana atody isan’andro», hoy ny fanazavan’i Landy, mpiompy akoho eny Analamahitsy. Lafo ny vidin’atody noho ny tsy fahampian’ny katsaka. Na izany, manomboka misehatra tsikelikely eo amin’ny fiompiana […]
Ala honko : teknisiana 20 hiofana any Chine
Manana anjara lehibe amin’ny fikajiana ny tontolo iainana ny ala honko. Efa lasa lavitra amin’ny fitantanana sy fiarovana azy ny any Sina. Manampy an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd), ho fiarovana azy ny fikambanana International Mangrove Center (IMC) sy ny Mangrove Conservation Foundation (MCF) avy any Sina. Tanjona […]
Mpandrindra ny GFFM : “Tokony hahatsapa ny ezaky ny fanjakana isika…”
Nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny mpandrindra nasionalin’ny Gideona fandresena ny fahantrana (GFFM), Rakotovao Andriamparany. Nambarany tamin’izany fa efa mamaha ny olana rehetra ny fanjakana. Niaiky ny tenany fa mety tsy ho izao sy anio ny hisitrahana ny vokatry ny ezaka rehetra ataon’ny fitondram-panjakana. “Tokony hahatsapa anefa isika fa […]
Fandraharahana: tanora 27 mianadahy vonona hiatrika asa
Nivoaka ny sabotsy teo, teny Ambatobe, ny tanora 27 mianadahy avy amin’ny andiany “Mamiratra”, nahavita fiofanana teo anivon’ny Future Leader Young with Potential (Fly-P) ao anatin’ny fandaharanasa Solika Groupe. « Tanjona ny hananana tanora mendrika eo amin’ny sehatry ny asa », hoy i Herisoalalao Natacha, reny mpiahy ny hetsika sady mpanorina ny […]