Sady vaky loha no very vola ny mpitondra taxi-moto iray lasibatry ny jiolahy teny Alakamisy-Anosiala, afakomaly alina. Niainga teo amin’ny faritry ny 67 Ha izy sy ny mpandeha iray. Nitondra io olona io nizotra niankandrefana niaraka amin’ny moto. Tsy nanampo na inona na inona ity mpanao taxi-moto ity kinanjo nitondra […]
Tranga
Taksiborosy nivadika : roa namoy ny ainy, folo naratra mafy
Olona roa matin’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny RN4, afakomaly. Mpandeha 10 naratra mafy. Ankoatr’io, mpitondra bisikileta iray maty tetsy amin’ny lalam-baovoa Ivato. Zaza valo taona ny iray tamin’ireo olona roa matin’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, PK 202+ 500, fokontany Manjakavaradrano, kaominina Mahatsinjo, distrikan’i Maevatanana. Ny alin’ny alatsinainy 23 septambra no […]
Mananjary : olona roa may, trano 52 kila
Nitrangana haintrano indray tao Tanambao Mananjary, afakomaly. Tokantrano miisa 52 no levon’ny afo, 218 ireo tsy manan-kialofana. Voalaza fa mpianatra avokoa ny 82 amin’ireo niharam-boina ireo. Anisan’ireo levon’ny afo ny fiara efatra, moto iray ary entana maro mitentina an-tapitrisa tao amin’ireo tokantrano. Ahitana olona marefo ihany koa amin’ireo niharam-boina (vehivavy […]
Nanafika tranombarotra teny Ankasina : tratra ireo jiolahy sy ny mpamatsy basy
Voasambotry ny polisy teny Ankasina, afakomaly, ireo andian-jiolahy tompon’antoka tamina fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny tranombarotra iray eny an-toerana. Notafihin’ireo jiolahy ny tranombarotra lehibe iray eny Ankasina, ny 17 septambra lasa teo. Polisy ao amin’ny kaomisarian’ny 67 no nahasambotra azy ireo niaraka tamin’ny basy, tamin’io fotoana io. Tao anatin’ny famotorana nataon’ny […]
Ambohimahitsy: mpamaky fiara roa saron’ny zandary
Voasambotry ny zandary ireo roa lahy mpamaky fiara tetsy Ambohimahitsy, kaominina Ambohimangakely, ny 22 septambra teo. Nijanona hividy sakafo ny tompon’ny fiara. Nanararaotra nanao ny asa ratsiny anefa izy roa lahy ireto. Lasibatra ny vola 530 000 Ar, finday niampy solomaso. Nametraka fitoriana teny anivon’ny zana-tobim-paritra Soamanandrariny ny tompon’entana very. Nanao […]