Lasan’ny rano, nidonadona tamin’ireo vato lalovan’ny rano, tao Mandraka ka namoy ny ainy ny zazavavy 9 taona, omaly. Niezaka nanavotra azy ny zokiny saingy tsy afa-nanohitra. Hita faty tao amin’ny renirano Mangarivotra, ao amin’ny fokontany Mandraka, kaominina Ambatolaona, distrikan’i Manjakandriana, ny zazavavy iray 9 taona, omaly maraina tamin’ny 8 ora. Naharay […]
Tranga
Fenoarivo : Tovolahy 18 taona hita faty tao anaty ranon’ny Vahalava
Hita faty efa tsy nisy aina intsony tao anatin’ny renirano Vahalava, fokontany Madiomanana, kaominina ambanivohitra Fenoarivo, omaly tamin’ny 7 ora sy sasany maraina, ny tovolahy iray 18 taona. Nampandre ny zava-nitranga tamin’ny zandarimaria miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohijafy ny sefo fokontany Ambaniavaratra. Tonga teny ifotony nijery ny zava-misy sy nanao […]
Voina naterak’ i Gezani : Manampy ireo traboina ny polisy
Nanoloana ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, izay nampitondra takaitra ny faritra Atsinanana, Alaotra Mangoro sy Analamanga ary ny faritra hafa, nidina ifotony ary mitondra fanampiana amin’ny alalan’ny fidinana ifotony eny anivon’ny elakelantrano, ny ekipan’ny polisim-pirenena. Anisan’izany ny polisy miasa eto Antananarivo Renivohitra izay nanentana ireo mponina miaina eny anivon’ny faritra mora […]
Niara-nilalao antsim-bilona : Zaza 2 taona maty voatsatoka teo amin’ny kibony
Ankizilahikely efa-taona no voalaza fa nahafaty tsy nahy ny zaza niara-nilalao taminy, izay vao roa taona monja. Voatsatoky ny antsim-bilona niarahan’izy ireo nilalao ity farany. Nifampisintoman’ny zaza roa lahy ny antsim-bilona ka nitera-doza, tao amin’ny tanànan’i Miarikofeno, kaominina Miantsoarivo, distrikan’Arivonimamo, ny tolakandron’ny 8 febroary teo. Tsy nanampo na inona na […]
Ambohimanambola : Lehilahy iray nanao sary maty
Lehilahy iray hitan’ny olona nisarona lamba teny amoron’ny lalamby teny amin’ny fokontany Morarano, kaominina ambanivohitra Ambohimanambola, omaly tamin’ny 08 ora maraina. Heverin’ny olona fa faty izy io ka nampandrenesina ny zandary miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra eny an-toerana. Tsy niandry ela, tonga teny ifotony nijery ny zava-nitranga avy hatrany izy ireo, […]




