Tranga

Mitam-basy sy misaron-tava : Jiolahy miiasa 11 mampihorohoro tanàna

Hifampitadiavana ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo ireo jiolahy 11 nandroba sy nampihorohoro teny Ambohimanjaka-Mahitsy, afakomaly alina. Namaky loha sy nandroba raim-pianakaviana izy ireo. Vaky loha noho ny daroka nandritra ny fanafihana nataon’ny jiolahy miisa 11 ny raim-pianakaviana iray ao amin’ny kaominina Ambohimanjaka-Mahisy. Mbola voaroba ihany koa ny volany an-tapitrisa, ny alarobia alina […]

Ambohimangakely: Lehilahy voaambana sabatra, jiolahy iray tratra

Nokendren’ireo mpanao ratsy ho vonoina tamin’ny sabatra, nandositra ny lehi­lahy iray nitondra moto, teny amin’ny kaominina Ambohi­man­gakely tsy lavitry ny tobin-dasantsy Jovena, afakomaly alina, tamin’ny 12 ora sy sa­sany. “Miisa telo ireo jiolahy nitondra sabatra sy vy maranitra nikasa handroba io olona avy niasa io”, araka ny fanazavana voaray teo […]

Jiolahy raindahiny : Lavon’ny balan’ny zandary i La croix

Lavon’ny balan’ny zandary miasa any amin’ny vondron-tobim-paritra Andilamena, omaly, tokony ho tamin’ny 6 ora maraina i La croix. Jiolahy raindahiny amin’ny resaka vaky trano sy halatra omby ary fandravana amin’ny endriny maro izy io. Naharay antso avy amin’ny olon-tsotra ny zandary fa misy lehilahy iray mihaodihaody ao antampon-tanànan’ny distrikan’Andilamena. Tsy […]

Bemasoandro Itaosy : Tongotra sy tanana zazakely hita niaraka tamin’ny labozia

Tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany, omaly maraina, nahitana tanan-jazakely nitondra labozia teo Bemasoandro Itaosy. Mbola nahitana tongotra, notaritarihin’ny amboa tsy lavitra teo. Tapaka tanana sy tongotra hitan’ny fokonolona teny Ampasika Atsimo, fokontany Anosimasina, kaominina ambanivohitra Bema­soandro, distrikan’Anta­nana­rivo Atsimondrano, omaly ma­raina tamin’ny 6 ora sy sasany. Renim-pianakaviana mo­nina eo […]