Tranga

Naiditra am-ponja: jiolahy efatra nanolana mpianaka

Natolotra ny fampanoavana, omaly, notanana vonjimaika any am-ponja avokoa ireo efa-dahy nanolana sady nandroba mpandraharaha iray sy ny zanany. Tratra teny Ankadikely Ilafy sy 67 Ha ireo olon-dratsy. Vaosambotry ny polisim-pirenena avy eo amin’ ny sampana heloka bevava sakelika voalohany (BC1), ny olon-dratsy efatra mirahalahy, tompon’antoka tamin’ny fanolanana niaro fandrobana, […]

Toamasina II : lavon’ny bala i Tombozara, jiolahy raindahiny

Jiolahy mpamerin-keloka sady tompon’antoka amin’ny fanafihana lavon’ny zandary tao Toamasina, omaly maraina tamin’ny 6 ora sy 10 minitra. Nokarohina hatry ny ela, anisan’ny hiampangana ity olon-dratsy atao hoe Tomb­ozara ity ny fanatanterahana fanafihana mitam-piadiana tao Anjahambe. Voasaringotra tamin’ny fanafihana nahavery vola 11 tapitrisa Ar tao amina tokantrano iray tao Amba­tondrazaka […]

Norobain’ny jiolahy ny basy: Zandary iray maty voatifitra

Zandary iray no lavo am-perinasa, omaly maraina. Nisy ny fifampitifirana tamin’ny mpitandro filaminana sy ireo olon-dratsy. Lasan’ireto farany ny fitaovam-piadiany. Namoy ny ainy teo no ho eo, vokatry ny tifitra nataon’ny dahalo, ny zandary iray am-perinasa tao Andriry, kaominina Beraketa, distrikan’i Bekily, omaly maraina tamin’ny 5 ora. Nangalatra omby tao […]

Fianarantsoa : mpamaky trano telo voasambotra

Saron’ny polisy ireo telo mianadahy tompon’antoka tamin’ny famakian-trano tao Fianarantsoa Renivohitra, afakomaly. Naharay fitarainana ny polisim-pirenena ao amin’ny DRSP Haute Matsiatra fa niharan’ny vaky trano ny tokantrano iray anatin’io kaominina io. Naharay loharanom-baovao momba ireo nahavanon-doza izy ireo, taorian’io ka nidina ifotony. Olona telo nahatrarana entana halatra. Vehivavy ny iray […]