Norobain’ny jiolahy mitam-piadiana ny tokantrano miisa roa tao amin’ny kaominina Faratsiho, ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady teo, tamin’ny 11 ora. Lasa ny vola an-tapitrisany. Lasan’ny olon-dratsy nitam-basy ny vola mitetina 17 tapitrisa Ar tao amin’ny tanànan’Antsampanimahazo Avaratsena, fokontany Avaratrakolahy, kaominina Faratsiho, ny alin’ny sabotsy 31 janoary teo. Nasesin’ireo tsy […]
Tranga
Taxi-be 141 tapaka hisatra : Ramatoa iray namoy ny ainy, efatra naratra mafy
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy Andravoahangy, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 4 ora latsaka fahefany. Niseho teo amin’ny lalana Hagamainty ny loza. Fiara mpitatitr’olona, zotra 141 iray, tapaka hisatra. Avy any Ambatomainty ary hihazo ny Rond point Hagamainty io fiara io. Niala ny arabe izy ka nifatratra sy nandona […]
Ambohipaly : Tovolahy 30 taona, hita faty
Tovolahy iray manodidina ny 30 taona hita faty tao Ambohipaly, kaominina Arivonimamo I, omaly folakandro tamin’ny 03 ora. Nahatsikaritra olona efa tsy nisy aina intsony sy nivalampatra tamin’ny tany ny olona sendra nandalo ka nampandre ny manodidina sy ny tomponandraikitra. Nampandrenesina mahakasika ny zava-misy ihany koa ny mpitandro filaminana any […]
Zaza valo taona novonoin-drainy : Notapahina ny tendany, notrobarana antsy ny fony
Novonoin’ny raim-pianakaviana iray ny zanany lahy vao valo taona monja. Notapahiny tamin’ny antsy ny tendany, notrobatrobarany ny tratrany. Namono tena tamin’ny poizim-boalavo ilay nahavanon-doza fa tsy maty. Maty novonoin-drainy tamin’ny antsy ny zanany lahy vao 8 taona, tany Ambatolava, fokontany Ambatomahamanina, kaominina Ambohitrabiby, distrikan’ Antananarivo Avaradrano, ny alarobia 28 janoary […]
Vono olona feno habibiana : Raim-pianakaviana hita faty teny an-tanimbary
Hita faty teny an-tanimbary, tao Bekitrobaka, Antsohihy, ny raim-pianakaviana (tale misahana ny fizahantany, faritra Sofia teo aloha), afakomaly, tamin’ny 9 ora alina. Niala tao an-tranony hoany amin’ny tanimbariny izy, tokony ho tamin’ny 05 ora maraina. Tsy mbola tonga tao an-trano anefa izy na dia efa hariva aza ny andro ka […]




