Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina teny amin’ny lalam-baovao mihazo ny Rocade Iarivo, omaly. Lehilahy iray maty voahitsaky ny kamiao teo amin’ny lohany. Maty teo no ho eo, lehilahy iray voahitsaky ny kamiao lehibe iray teny amin’ny lalam-baovao Rocade Iarivo, omaly tamin’ny 3 ora tolakandro. Kamiao mpitatitra fako miasa ao an-dRenivohitra avy any […]
Tranga
Nanao tifi-danitra ny zandary : olona roa maty nipitihan’ny bala
Maty tsy tra-drano ny olona mianadahy tao amin’ny kaominina ambanivohitr’Ambinanindrano Mahanoro, ny alin’ny sabotsy lasa teo. Nisy alim-pandihizana nokarakarain’ olona iray tao an-toerana. Nanao fampisehoana ankalamanjana ny mpanakanto iray tamin’io fotoana io raha alim-pandihizana jiromena kosa ny alin’io. Olon-tsotra no nikarakara izany. Teo no nitranga ny olana noho ny tsy […]
Raindahiny amin’ny fanafihana… : maty voatifitra i Mangerisetroka
Nidonan-tsekotra! Tapitra hatreo ny tantaran’ny jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana fantatra amin’ny anarana hoe Rakotonanahary François de Charles na i Charles Be na koa i Mangerisetroka, araka ny fahafantaran’ny olona azy. Lavon’ny balan’ny zandary tao Anjeva Gara, ny alatsinainy teo izy. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, tompon’antoka tamina fanafihana tao Andramanonga, […]
Hasarotam-piaro namoa-doza : maty novelesin’ny rafilahiny tavoahangy ilay lehilahy
Niafara tamin’ny famoizan’aina ny fifandirana nisy teo amin’ny mpivady tao anaty trano fandihizana iray tao Antalaha, ny alin’ny alahady 26 mey teo. Rafilahin-drangahy ihany no namono azy. Maty tsy tra-drano voavelin’ny tavoahangy nataon’ny rafilahiny ny lehilahy iray tao Maromikotra, kaominina Ampahana, distrikan’Antalaha, ny alin’ny 26 hifoha 27 mey teo. Naka […]
Mpanendaka anaty taxi-be : lehilahy iray naiditra am-ponja eny Antanimora
Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny jiolahy iray tratra nanendaka tao anaty taxi-be. Ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria CSP1 Analakely no nahasambotra azy teny Ambohijatovo, ny herinandro teo, noho izy voarohirohy ho nanendaka tao anaty taxi-be. Ny 22 mey 2024 maraina, nisy renim-pianakaviana […]