Tranga

Fanaovana taratasy hosoka: Teratany vahiny tra-tehaka tetsy Ilanivato

Tra-tehaky ny polisim-pirenena tetsy Ilanivato, ny alarobia 28 janoary 2026 lasa teo, ny lehilahy iray, teratany vahiny, voarohirohy tamin’ny resaka halatra sy fanaovana taratasy hosoka. Nahazo fitarainana maro avy amin’ny olon-tsotra ny polisy miasa ao amin’ny PPA3 Ilanivato. Tsy niandry ela fa nidina ifotony nanao ny fanaraha-maso izy ireo, taorian’izay. Vokany, […]

Vokatry ny ora-nikija: Zaza telo maty nirodanan’ny trano

Tra-doza vokatry ny rotsakorana diso tafahoatra ny fianakaviana iray tao Ambohimarina, Andramasina. Telo mianadahy maty nianjeran’ny trano, telo hafa avotra soa aman-tsara, ny 27 janoary lasa teo. Ankizy telo mianadahy (14 sy 9 ary 4 taona) niara-maty nirodanan’ ny trano biriky misy rihana iray tany Tsibeomby, fokontany Ambohimarina, distrikan’­An­dra­masina, ny […]

Nikasa hangalatra voninkazo : Lehilahy roa voasambotry ny zandary tetsy Itaosy

Voasambotry ny zandary tetsy Itaosy ny lehilahy miisa roa, afakomaly alina. Nikasa hangalatra voninkazo tao amin’ny trano iray andalam-panamboarana eny an-toerana izy ireo. Lehilahy roa saika hangalatra voninkazo, tratra teny Ankaraoka, fokontany Vo­ne­lina, kaominina Fiom­bonana, Itaosy, afakomaly 27 janorary 2026, tamin’ny 11 ora alina. Efa hitan’ny fokonolona sy ny mponina […]

Fanakorontanana filaminam-bahoaka: Tanora 15 voasambotry ny polisin’ny UIR

Tanora miisa 15 voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny Unité d’intervention rapide (UIR), tao Tanamakoa, ny talata 27 janoary 2026 lasa teo. Anisan’ireo andian-jatovo mpanakorontana ny filaminam-bahoaka ao Toamasina izy ireo. Eo ny fanaovana ady eny an-dalambe, fangalarana amin’ny endriny maro samihafa ary ny fitabatabana amin’ny alina. Efa maro ny […]