Tranga

Vonoan’olona tao Mahajanga : naiditra am-ponja ireo mpiasa roa

Nidoboka am-ponja vonjimaika, omaly, rehefa avy na­tolotra ny fampanoavana ny lehilahy iray sy vehivavy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana renim-pianakaviana iray tao amin’ny Village touristique Mahajanga. Mpiasan’ity renim-pianakaviana 69 taona niharam-boina ity ihany izy roa ireto. Mipetra-drery ao amin’ny fokontany Mahavoky Atsimo izy no nidiran’ireo mpiasany an-keriny tao an-tranony […]

Ambohitrimanjaka: lehilahy iray maty an-drano

Latsaka an-drano tao ambany tetezan’Ambohitrimanjaka ny lehilahy iray, omaly maraina. Olona teny an-toerana no nahita azy nianjera tao ambany tetezana ka nampiantso ny sampana mpamonjy voina avy hatrany. Fotoana fohy taorian’ izay, tonga nanao ny asam-pamonjena tamin’ny alalan’ny fikarohana ilay niharam-boina ny mpamonjy voina. Nanao izay ho afany tamin’ny fikarohana […]

Lehilahy natao takalonaina : mitaky 8 tapitrisa Ar ireo mpaka an-keriny

Lehilahy 31 taona anisan’ny kartie mobile indray no lasan’ny dahalo tao amin’ny distrikan’Anjozorobe, omaly. Mitaky vola an-tapitrisany ireo mpaka an-keriny. Mitaky vola valo tapitrisa Ar amin’ny fianakavian’ny lasibatra ireo olon-dratsy naka an-keriny lehilahy iray 31 taona tao amin’ny tanànan’Ankidondona, fokontany Andranonkotona, distrikan’ Anjozorobe, afakomaly. Niton­dra olona teny anivon’ny biraon’ ny […]

MANJAKANDRIANA: ankizikely roa vavy kilan’ny afo

Nitrangana loza mahatsiravina tao Ampanivahoaka, kaominina ambanivohitry Ranovao, distrikan’i Manjakandriana, omaly tamin’ny 2ora maraina. Trano kely fiandrasana saribao ity nirehitra ity, araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary. Fianakaviana mivelona amin’ny asa fanaovana saribao ity niharan-doza tampoka ity. Nisy ankizikely telo (telo volana sy roa taona ary 13 taona) mbola […]