Nitrangana fanafihana mitam-piadiana, ny tolakandron’ ny talata lasa teo, tany amin’ ny fokontany Sambosotsy, kaominina Behisatsy, distrikan’i Beroroha. Nifanehitra tamin’ny jiolahy mirongo fitaovam-piadiana ny fianakavianakely, telo mianaka, handeha hamonjy fodiana rehefa avy namonjy tsena tany Behisatsy. Nandeha moto izy ireo no nosakanan’ ny jiolahy tamin’ny lalana ary nambanany tamin’ny basy. […]
Tranga
Tratra ny iray tamin’ireo nahavanon-doza: mpamily taxi hita faty tao an-davapiringa
Raim-pianakaviana iray, mpitondra taxi, hita faty nafatratry ny olon-dratsy tao anaty sinibe ary nalatsany tany anaty lavapiringa, ny 24 desambra teo, tetsy Alasora. Tsy niandry ela fa tratran’ny polisy, omaly, ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Voasambotry ny polisim-pirenena avy amin’ny CSP Alasora, teny Ambohimangakely Ikianja, fokontany Ambovokely, omaly, ny lehilahy iray […]
Halatra moto: telo lahy voasambotra
Mirongatra ny halatra moto eto an-dRenivohitra, amin’izao vanim-potoana ankatoky ny fety izao. Lehilahy miisa telo voasambotry ny zandarimaria miasa eo anivon’ny tobim-paritra Itaosy vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny zandary eo anivon’ny zana-tobim-paritra Ambavahaditokana sy Ambohimamory, ny alin’ny alatsinainy 22 desambra lasa teo. Nalain’ny olon-dratsy ny moto scooter iray, tao amin’ny fokontany […]
Olon-dratsy iray tratry ny fokonolona: mpandanja volamena notafihin’ny jiolahy efa-dahy
Notafihin’ny jiolahy miisa efatra ny vehivavy iray mpandaja volamena tany Andranomangatsiaka Maevatanàna, omaly, tokony ho tamin’ny 2 ora maraina. Azon’ny fokonolona ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Nisaron-tava sy nirongo fitaovam-piadiana toy ny basy ireo olon-dratsy. Nandrasan’ireto farany teo akaikin’ny trano fonenany ity vehivavy ity rehefa nikasa handeha hamonjy tsena maraina. Niantso […]
Anosibe Andrefana I: trano 60 tafo mahery narodana
Narodan’ny andian-dehilahy maro, notronin’ny mpitandro filaminana, ny trano manodidina ny 60 tafo tetsy Anosibe Andrefana I, omaly, tamin’ny 6 ora maraina. Navoakan’izy ireo avokoa ny entana rehetra tao an-trano. Niteraka savorovoro sy ahiahy teo amin’ny mponina izany satria tsy nisy ny fifampiresahana sy fampahafantarana mialoha ny fandrodanana, raha ny nambaran’ireo […]




