Tranga

Nariana tao ambany lavarangana : Tovolahy hita faty, nokendaina tamin’ny kofehy

Nisy nanipy teo ambany lavaranga ny fatina tovolahy iray, ny faran’ny herinandro lasa teo, tany amin’ny kaominina Alakamisy, Antsirabe II. Nodoran’ny fokonolona kosa ny tranon’ilay ahina ho nahavanon-doza. Karohin’ny manam-pahefana nanomboka ny zoma 13 febroary teo, ny lehilahy iray ahina ho namono nahafaty tovolahy vao 15 taona monja tao amin’ny […]

Nifamaly tao amin’ny toeram-pisotroana : Lehilahy voatifitra basy, karohina ilay nahavanon-doza

Niafara tamin’ny fandratrana olona roa ny fifamaliana teo amin’ny lehilahy miisa roa tao amin’ny toeram-pisotroana iray, teny Andoharanofo­tsy, ny zoma 13 febroary teo. Nandositra ilay nitifitra. Voan’ny bala teo amin’ny so­rony havia sy teo amin’ny feny havanana ny lehilahy iray, teny Malakialina, fokontany Ma­halavolona, kaominina am­banivohitra Andoharanofo­tsy, distrikan’Antananarivo Atsi­mon­dra­no, ny […]

Imerimandroso: Jiolahy nanafika Cash point voasambotra

Nanambana basy kilalao sy antsy mpanao Cash-point, jiolahy iray voasambotry ny fokonolona sy ny zandary tao amin’ny fokontany Alatsinainy, kaominina Imerimandroso, distrikan’ Ambo­hi­dratrimo, ny zoma 13 febroary teo. Jiolahy roa lahy niditra an-keriny tao amin’ io toerana fikirakirana vola io, tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Tsy nisy fanazavana, nanery […]

Ankadinondry Sakay: Voasambotra ilay lehilahy nidaroka vady aman-janaka

Zatra mampihatra herisetra amin’ny vadiny sy ny zanany va­vikely, notanan’ny zandarimaria ao Ankadinondry Sakay ny raim-pianakaviana iray, oma­ly maraina. Nodaro­darohan-drangahy ny ramatoa vadiny ary lasibatra ihany koa ny zanany vavikely, tao amin’ny kaominina Ankadinondry Sakay, afakomaly alina. Mive­lona amin’ny asa fanamboarana finday ao an-toerana ilay raim-pianakaviana. Mampijaly ny vady aman-janany amin’ny […]