Tovolahy iray no hita faty nihantona tamin’ny tady tao Beampombo Fandriana, omaly vao maraina. Tsy fantatra mazava izay antony nahatonga azy nananton-tena tamin’ny tady fa efa tsy nisy aina intsony izy tamin’ny fotoana nahatongavan’ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny dokotera nanao fizahana ny razana. Tao anatin’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana no […]
Tranga
Bisikleta voafaokan’ny fiara : vehivavy bevohoka niara-maty tamin’ny vady aman-janany
Namoy ny ainy teo no ho eo ilay rangahy voadonan’ny fiara teny amin’ny RN1, teo Ambatonapoaka. Tsy tana ny ain’ny vadiny bevohoka sy ny zanany kely rehefa nentina nihazo ny hopitaly. Voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana niloko mainty ny fiara mazda iray teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, teo Ambatonapoaka, distrikan’Arivonimamo, omaly maraina […]
Vonoan’olona mampiahiahy: vazaha hita faty nihosin-dra tao an-tranony
Vazaha iray 73 taona hita faty nihosin-dra tao an-tranony, ao amin’ny fokontany Antanimasaja, vakim-paritra fahatelo Mahajanga, omaly maraina. Nahitana tsindrona zava-maranitra maromaro teo amin’ny vatany, ny tendany hatrany amin’ny lohany. Araka ny fanazavan’ny tovolahy iray taizany (izay mpiambina ny tanànany ihany), tamin’ny 2 ora maraina, henony niresaka tamin’ny sakaizany ity […]
Nariana tao anaty rano : lohan’olona nifatotra tao anaty selofanina
Nampivarahontsana! Lohan-dehilahy iray hitan’ny fokonolona tao anaty harona plastika tao amin’ny fokontany Ambohiponana, kaominina Ambositra, omaly. Ankizy nanasa lamba teo amoron-drano no nahatsikaritra fonosona iray natsingevan’ny rano teo amin’ny 59 metatra miala amin’ny RN7. Nosokafan’izy ireo, nisy lohan’olona misy ra tao anatin’io fonosona io. Nitsoaka kiririoka, niantso ny tomponandraikitra hijery […]
Nisesy ny lozam-pifamoivoizana: nandriaka ny ra, maro ny olona maty
Tohivakana ny lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona ny faran’ny herinandro teo. Tandrevaky ny mpamily sy noho ny fihonjonana ateraky ny vesatra tafahoatra no nahatonga ny loza. Am-polony ireo olona namoy ny ainy… Nitrangana lozam-pifamoivoizana nandratrana olona teny Soanierana, ny zoma alina teo. Fiara Peugeot 406 iray hihazo an’Ankadimbahoaka no nifatratra tamin’ny tamboho […]