Tranga

Tovolahy tratra tetsy Ambanidia: nanolana zazalahy, saika matin’ny fokonolona

Voasambotra teo am-panolanana zazalahikely vao dimy taona ny lehilahy iray, afakomaly, teny Ambanidia. Nanamparan’ny mponina ny hatazerany, efa naratra mafy vao navelan’izy ireo. Naolan’ny tovolahy 17 taona iray tetsy Am­banidia Volosarika, afakomaly, tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro, ny ankizilahikely vao 5 taona monja. Tany amin’ny fivoahan’ny maloton’ ilay zaza […]

Sprinter nodomin’ny kamiao : Naratra mafy ny mpamily sy ny mpanampy azy

Nifandona teny am-pandehanana teo Ambatofotsy, la­lam-pirenena fahatifo ny ka­miao iray sy ny fiara fitateram-bahoaka sprinter iray, omaly tamin’ny 3 ora maraina. Noho ny hamafin’ny fifandonana, voafaokan’ilay kamiao nifanena taminy ilay sprinter ka nipitika sy nifafatra tany amin’ny sisin-dalana. Potika tanteraka ny lohan’ilay sprinter. Tery sy voatsindrin’ireo vy tamin’ny fiara tao ny […]

Mahajanga: Tovolahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Namoy ny ainy vokatry ny daroka sy vono nataon’ny fokonolona azy, ny lehilahy iray tao amin’ny fokontany Ambon­drona, kaominina Mahajanga, omaly maraina. Nanampatra ny hatezerany tamin’io lasibatra io avokoa ny ankamaroan’ireo vatan-dehilahy nanatri-maso ny tranga tao an-toerana. Voalaza fa nangalatra io olona voasambotra io. Tezitra vokatry ny fanjakan’ny tsy fandriampahelamana […]

Fanafihan-jiolahy : Telo lahy nandroba vola an-tapitrisa

Notafihan’ny jiolahy telo nitam-piadiana ny tokantrano iray tao Avaratsena, Tsiroanomadidy, ny marain’ny zoma teo, tamin’ny 1 ora. Lasa ny vola sy ny entana sarobidy. Nambanan’ny mpanao ratsy tamin’ny lefona ilay rangahy ary nambanana antsy sy basy ny vadiny, tao amin’ny tokantrano iray ao amin’ny fokontany Ava­ratsena, kaominina Tsiroano­man­didy, ny zoma […]

Raharaha Ravatomanga : Mitohy ny fisavana ataon’ny mpitandro filaminana

Mitohy hatrany ny fisavana ny orinasa ao anatin’ny vondrona Sodiat sy ny olona akaiky ny mpandraharaha Ravato­manga Mamy hatramin’izao. Nosa­vain’ny mpitandro filaminana ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo, ny tranon-dRava­tomanga Aina etsy Mandrosoa Ivato sy ny orinasa Polymad etsy Akoron­drano. Nanatan­teraka izany ny mpitandro filaminana izay nisaron-tava sy nirongo […]