Notanana am-ponja ny 19 desambra teo ireo dimy lahy mpanao asa ratsy voasambotry ny polisim-pirenena tao Nosy Be Hell-Ville. Nitrangana fanafihan-jiolahy tao amin’ny tokantrano iray anatin’ny fokontany Ambalamanga Befitina, ny alin’ny 11 desambra lasa teo. Nitondra fitaovam-piadiana sady nampiasa pilotra ireo mpandroba ka tsy nisy afa-namaly ny tompon-trano. Noteren’ireo mpanao […]
Tranga
Fitandroana ny fetin’ny Noely sy faran’ny taona: ampitomboina ny polisy miasa eny an-dalambe
Nanao fanambarana tetsy Anosy, ny avy amin’ny polisim-pirenena, omaly. Nanaovan’izy ireo tatitra ny mahakasika ny fandaminana mandritra ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona ary ny fitsenana ny taona vaovao 2026 hoavy izao. “ Hiantsehatra manerana ny Nosy ny polisy mba hahafahan’ny Malagasy isan-tokantrano sy manerana ny Nosy rehetra mifety […]
Taksiborosy latsaka ambany tetezana: mpandeha 15 naratra, voa mafy ny roa
Nivoaka ny arabe, nifatratra tany ambany tetezana ny fiara mpitatitra iray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, omaly maraina. Mpandeha am-polony naratra. Olona roa tamin’ireo mpandeha am-polony voa mafy taorian’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra teo amin’ny tetezan’i Ikalamilotra, kaominina Berivotra 5×5, distrikan’i Maevatanàna, omaly maraina. Niainga ny tolakandron’ny alahady 21 desambra […]
Antohomadinika: lehilahy iray tratra nangalatra atody
Voasambotry ny polisy teny Antohomadinika, ny 18 desambra 2025 tolakandro, ny lehilahy iray 24 taona, mpangalatra atody. Niafina tao ambonin’ny tafontranon’ny biraom-pokontany eny an-toerana izy ka noraisim-potsiny. Nahazo antso avy amin’ny olon-tsotra ny polisy miasa ao amin’ny PPA Antaniavo Antohomadinika, ny marain’ny alakamisy 18 desambra 2025 lasa teo. Misy lehilahy […]
Vono olona mahatsiravina: lehilahy iray hita faty tany anaty ala honko
Hita faty tany anaty ala honko, tany Manapatanana-Samborobaka, fokontany Ambondrona, Toliara, ny sabotsy maraina teo, ny fatin-dehilahy iray. Nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana izy io, raha ny fizahan’ny mpitsabo sy ny manam-pahefana. Potipotika ny fahitana ny razana, efa simba tanteraka, nosarahantsarahana tamin’ny vatany ny tanany sy ny tongony. Notapahina […]




