Nirefodrefotra ny basy! Jiolahy nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana ravan’ny polisim-pirenena avy eo anivon’ny FIP Toamasina notarihin’ny kaomandiny, ny kaomisera Rafaliarivo Jules, omaly. Nitondra fitaovam-piadiana, nikononkonona asa ratsy izy dimy lahy ireo. Naharay loharanom-baovao mari-pototra anefa ny mpitandro filaminana. Nidina ifotony avy hatrany ny FIP ao an-toerana. Tsy ankitsitsy, nikasa hampiasa […]
Tranga
Nanolan-jaza 15 taona: naiditra am-ponja ny nahavanon-doza
Notanana vonjimaika any am-ponja, afakomaly, ny lehilahy iray nanolana ankizivavy 15 taona tao Amparafaravola. Mpifanila trano amin’io lehilahy io, nadalainy matetika ny zanaky ny zaobaviny. Miara-matory amin’ny zandriny ao amin’ny lakozia anefa io ankizy io. Alain’io lehilahy tsy valahara io matory ao aminy ilay ankizivavy rehefa alina. Rahonany ho vonoina […]
Fiara Sprinter nivadika: olona telo namoy ny ainy, 16 naratra mafy
Nitrangana lozam-piarakodia namoizana ain’olona dimy indray tao Ambatofolaka, fokontany Antsahalava, kaominina Soamahamanina, lalam-pirenena voalohany (RN1), omaly tolakandro. Fiara Sprinter iray nitondra mpianatra nitsangantsangana tany Ampefy ity tra-doza tampoka ity… Tebiteby, ranomaso…izany no niainan’ny ray aman-drenin’ireo mpianatra niharam-boina vokatry ny lozam-piarakodia tao Ambatofolaka, fokontany Antsahalava, kaominina Soamahamanina, omaly tolakandro tamin’ ny 3 […]
Fanafihan-dahalo: lehilahy maty voatifitra tao ambany heliny
Namoy ny ainy vokatry ny tifitra nataon’ny olon-dratsy ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny tanàn’Ampahidambo, fokontany Mandriambero, kaominina Mahavelona, distrika Ankazobe, ny alin’ny alarobia 24 avrily teo. Nitsoaka ireo nahavanon-doza. Tsikaritr’ireo dahalo fa avy nanao vary, notafihan’izy ireo ny raim-pianakaviana iray. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika ireo olon-dratsy efa-dahy. Notifirin’ireo olon-dratsy teo […]
Ramalason Olga : nanampatra fahefana tao Antsirabe
Vesatra momba ny tsy fangaraharan’ny fitanana teo amin’ny kaominina Antsirabe, tamin’ny taona 2008, no ihazonana vonjimaika any am-ponja an-dRamalason Olga, izay ben’ny Tanàna teo aloha. Tompondraikitra voalohany tamin’ny fanafoanana ny taratasim-barotra momba ny tany nolovain’olona izy. Niady teny anivon’ny fitsarana ny tompon-tany rehefa nahalala fa tsy misoratra amin’izy ireo intsony […]