Tranga

Lehilahy maty teny Ankadikely : Nolerana zava-maranitra ny fony sy ny ilam-peny

Nolerana zava-maranitra teo amin’ny fony sy ny ilam-peny ny lehilahy iray teny Ankadikely Ilafy, tamin’ny alahady alina. Nanomboka omaly ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana. Namoy ny ainy ny raim-pianakaviana iray vokatry ny tsatok’antsy intelo nahazo azy. Nitrangan’ izany ny teny amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, afakomaly alina. “Nahenoin’ny mponina manodidina tabataba tao […]

Telo lahy nodorana velona: Nosamborin’ny zandary ilay vehivavy

Nosamborin’ny zandary omaly ilay vehivavy nandoro ireo telolahy tany Tsarahone­nana Sahivotry, kaominin’i Soanindrariny, distrikan’An­tsirabe II, ny alarobia lasa teo. Namoy ny ainy daholo izy ireo, raha ny tatitra voaray tany an-toerana. Ahina ho tompon’antoka ta­min’ny famonoana vehivavy iray bevo­hoka, hita faty tao an-tanànan’i Tsarahonenana, fokontany Sahanivotry, Soa­nin­drariny izy ireo. Nolazaina […]

Ankadilalana : Manamboninahitra iray maty voafaokan’ny fiara

Matin’ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy tetsy Ankadilalana Mahamasina, ny manamboninahitra iray eo ani­von’ny Tafika Malagasy, ny sabotsy lasa teo. Fiara, mpitatitra mpiasa, tapaka hisatra no nahatonga ny loza. Namoy ny ainy teny amin’­ ny hopitaly ny manamboninahitra iray eo anivon’ny Tafika Malagasy‚ Lietnà Tsarazarabe Anicet Crescent‚ 26 taona, afakomaly sabotsy. Izay […]

Soamahamanina: Telo lahy naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana afakomaly, notanana vonjimaika any am-ponja avokoa, ireo telo lahy nahatrarana taribin-jiro tao Ambatofolaka, fokontany Antsahalava, kaominina Soamahamanina, distrikan’i Miarinarivo. Lasan’ny mpanao ratsy avokoa ny an­kamaroan’ny tariby hampiasain’ny orinasa mpamatsy herinaratra ao anatin’io kaominina io. Nahatsikaritra fisiana toe-javatra hafahafa ny mponina ka nampandre ny mpitandro filaminana. Fiara fitateram-bahoaka tratran’izy […]