Tranga

Ambohimangakely: mpanendaka fito lahy voasambotra

Tra-tehaky ny zandary ny jiolahy miisa fito mpanao asa ratsy eny amin’ny kaominina Ambohimangakely, afakomaly. Efa misy intelo nifonja ny iray tamin’ireo olon-dratsy ireo. Manendaka sady mamaky trano eny amin’ireo kaominina manodidina izy. Manao fanafihana mitam-piadiana, mamaky fiara sy manendaka eny amin’ny toerana mangingina, toy ny eny Ambohibe, kaominina Ilafy, […]

Lozam-pifamoivoizana : lehilahy maty voahosin’ny kamiao

Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana iray 60 taona tao Ambohimahasoa, omaly maraina. Nijanona hisakafo, nametraka ny fiarabe teo amoron-dalana ny mpamily. Tsy tana tamin’ny alalan’ny kaly tampoka io kamiao io ka nifaoka trano maromaro teo amin’ny sisin-dalana. Nifanindry an-dalana tamin’io fotoana io, tsy tafatsoaka ny fiara namantana tamin’ny tsena amoron-dalana […]

Nitsirara tampoka…: Raim-pianakaviana iray matin’ny hanoanana

Namoy ny ainy vokatry ny hanoanana ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Tanambao Verrerie Toamasina, ny alahady maraina teo. Tsy avotra intsony ny ainy! Raim-pianakaviana iray manodidina ny 40 taona eo ho eo no hitan’ny fokonolona nitsirara tampoka tamin’ny arabe tao amin’ny fokontany Tanambao Verrerie Toamasina, ny alahady maraina teo. […]

Ankadimbahoaka: jiolahy roa lavon’ny polisin’ny Sag

Maty voatifitry ny polisy eo anivon’ny Sag, ny jiolahy miisa roa tetsy Ankadimba­hoaka, afakomaly hariva. Nivezivezy teny amin’ny ma­nodidina ireo olon-dratsy, izay efa nitondra fitaovam-piadiana. Nihaodihaody tsy lavitra ny foiben’ny vondron’orinasa matanjaka iray eny an-toerana izy ireo. Nanatona hisambotra azy ireo ny polisim-pirenena saingy nanda izany ireo jiolahy. Tsy nanaiky […]

Iavoloha: efa-dahy nahatrarana rongony 920 kg

Tratry ny vela-pandriky ny polisim-pirenena misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina ny efa-dahy nitondra rongony 920 kg teo Iavoloha, distrika Atsimondrano, afakomaly. Misava eny anivon’ny lalam-pirenena, fiara miisa roa avy any Toliara voasakana. Nampiahiahy ny polisy ny fihetsiky ny lehilahy efa-dahy. Nosavaina, nahitana zava-mahadomelina nilanja 49 gony teny amin’izy ireo. Efa […]