Tafakatra dimy ireo jiolahy notanana am-ponja toarian’ny fihainoan’ny fampanoavana azy ireo, teny amin’ny Lapan’ ny fitsarana Anosy, ny 12 desambra teo. Ahina ho tompon’ antoka sy nandray anjara mivantana na ankolaka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny tokantrano iray teny Manjaka, kaominina Ankadikely Ilafy, avokoa ireo olona ireo. Nidiran’ny olon-dratsy tao […]
Tranga
Fenoarivo : Lehilahy iray matin’ny hatsiaka
Hita faty tao anaty tatatra tetsy Fenoarivo, ny lehilahy iray, omaly. Tsy nisy ratra ny vatany fa nahitana fery amban’ ny aretina diabeta kosa ny rantsan-tongony. Matin’ny hatsiaka ny nahafaty azy, raha ny fizahan’ny mpitsabo. Lehilahy iray, 42 taona, hita faty tao anaty tatatra, amoron’arabe, lalam-pirenena voalohany, teo amin’ ny […]
Fisavana tany Mantasoa: Nikaroka fitaovam-piadiana nafenina ny FDS
Tompon’antoka tamin’ny fampidirana fitaovam-piadiana mahery vaika eto Madagasikara, ny tale jeneralin’ny vondrona Sodiat, Ravatomanga Mamy, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Vondron-kery fiarovana sy ny filaminana, omaly. Ara-dalàna ho azy ireo ny fisavana rehetra izay natao teny anivon’ny trano fonenana sy ny orinasa sasantsasany eo anivon’ io vondron’orinasa io. “Nomen’ […]
Ambatomaro: Jiolahy efatra maty voatifitra
Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny jiolahy miisa efatra, anisan’ireo nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana teny Ambatomaro, ny alin’ny alahady 14 desambra teo. Naharay antso avy amin’ny tsara sitrapo ny ekipan’ny polisim-pirenena fa misy andian-jiolahy mikononkonona hanafika. Nanao ny angom-baovao rehetra izy ireo ka nidina ifotony ny ekipan’ny USI, fantatry ny […]
Ankazomanga : Raim-pianakaviana maty nananton-tena
Hita faty nihantona tamin’ny tadin-kiraro tao an-trano fonenany, tetsy Ankazomanga Atsimo, omaly maraina, ny raim-pianakaviana iray tokony ho 40 taona. Nisy nandrahona tamin’ny finday foana izy andro vitsivitsy talohan’io tranga io. Tsy hita nivoaboaka ity raim-pianakaviana ity, ka nanokatra ny varavaran’ilay trano tetsy Ankazomanga Atsimo, vakim-paritra II, omaly maraina, ny […]




