Tranga

Ao anatina fikambanan-jiolahy : voaheloka hiasa an-terivozona 10 taona i Alain sy Laro

Fanafihana mitam-piadiana, fikambanan-jiolahy no vesatra iampangana ireto tovolahy roa mpiambina mpamongady iray ao Toamasina. Nampangain’ny « bar à pince » sy lelavola 7 tapitrisa Ar tany aminy ry zalahy ireto… Araka ny antontan-taratasin’ady laharana faha-149-Toa/23-3404-RP/21, notsaraina teo anivon’ny fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava, ny zoma lasa teo, ity raharaha ity. […]

Nikasa hisasa tongotra: lehilahy hita faty tao amin’ny ranon’Ikopa

Lehilahy manodidina ny 32 taona maty an-drano teo amin’ny ranon’Ikopa, teo Tan­jombato, omaly. Araka ny angom-baovao, nanasa tongotra teo amoron-drano io lehilahy io, ny tolakandron’ny alahady 7 jolay teo. Lasan’ny rano tampoka anefa izy ka nikoropaka nitazana ny mponina manodidina. Niandry azy hivoaka ireo mpanasa lamba teo akaiky saingy vao […]

Basy roa sy bala tratra: jiolahy raindahiny maty voatifitra

Lavon’ny balan’ny polisy ny jiolahy raindahiny mpanao fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny distrikan’i Betafo, omaly. Mpanao io asa ratsy io izy ka nosamborin’ny mpitandro filaminana Marotsiazo, kaominina Betafo, ny 7 jolay teo. Nanatontosa fanafihana niaraka tamin’ny namany io jiolahy io ka antony nisamborana azy. Natao famotorana, nanaiky hitoroka ny mpiara-miombona antoka […]

Migadra i Julio Gros bras : Polisy am-perinasa voadaroka!

Polisy iray mpandrindra fifamoivoizana no naratra voadaroky ny mpamily iray. Tsy ara-dalana ny taratasiny ka nahazo fampitandremana. Nivoaka ny fiara izy, nidaroka avy hatrany ilay mpitandro filaminana. Tonga nitolo-batana teo anivon’ny kaomisaria foibe Bazarikely, Rama­herison Julio Franco, fantatry ny maro amin’ny solon’ana­rana hoe Gros bras, noho izy voarohirohy ho nanao herisetra […]