Tokantrano miisa 84 rava tanteraka raha 13 hafa kosa simba ny tafo. Omby sy biby fiompy anjatony maty, hazo fihinam-boa sy voly fanondrana fohitra tanteraka, toy ny letisia, jirofo. Ireo ny takaitran’ ny fandalovan’ny rambondanitra na tadio (tornade) ny sabotsy 31 janoary teo, tokony ho tamin’y 7 ora hariva ary […]
Tranga
Ambohimangakely: Lehilahy voaambana sabatra, jiolahy iray tratra
Nokendren’ireo mpanao ratsy ho vonoina tamin’ny sabatra, nandositra ny lehilahy iray nitondra moto, teny amin’ny kaominina Ambohimangakely tsy lavitry ny tobin-dasantsy Jovena, afakomaly alina, tamin’ny 12 ora sy sasany. “Miisa telo ireo jiolahy nitondra sabatra sy vy maranitra nikasa handroba io olona avy niasa io”, araka ny fanazavana voaray teo […]
Jiolahy raindahiny : Lavon’ny balan’ny zandary i La croix
Lavon’ny balan’ny zandary miasa any amin’ny vondron-tobim-paritra Andilamena, omaly, tokony ho tamin’ny 6 ora maraina i La croix. Jiolahy raindahiny amin’ny resaka vaky trano sy halatra omby ary fandravana amin’ny endriny maro izy io. Naharay antso avy amin’ny olon-tsotra ny zandary fa misy lehilahy iray mihaodihaody ao antampon-tanànan’ny distrikan’Andilamena. Tsy […]
Bemasoandro Itaosy : Tongotra sy tanana zazakely hita niaraka tamin’ny labozia
Tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany, omaly maraina, nahitana tanan-jazakely nitondra labozia teo Bemasoandro Itaosy. Mbola nahitana tongotra, notaritarihin’ny amboa tsy lavitra teo. Tapaka tanana sy tongotra hitan’ny fokonolona teny Ampasika Atsimo, fokontany Anosimasina, kaominina ambanivohitra Bemasoandro, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, omaly maraina tamin’ny 6 ora sy sasany. Renim-pianakaviana monina eo […]
Ambohitrabiby : Lasibatry ny mpanendaka hatramin’ny mpianatra
Velon-taraina amin’ny afitsok’ireo mpanendaka an-dalambe ny mponina ao amin’ny fokontany Antanambao, kaominina Ambohitrabiby, PK17. Olona miisa telo samihafa niharan’ny fanendahana nataon’ireo olon-dratsy tao anatin’ny roa herinandro. “Mpianatra hamonjy toeram-pianarana eny amin’ny CEG vao maraina no efa lasibatra”, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao ao an-toerana. Voalaza fa hanaovan’ireo tontakely ny asa ratsiny […]





