Niharan’ny vono avy hatrany ny mpiandry tanàna ny marain’ny sabotsy teo nanoloana ireto miaramila miisa fito ireto teo am-bahahady, ankoatra ireo andiany hafa nanodidina ny tanàna sy nanemitra ny arabe. Nitonona ho iraky ny fanjakana izy ireo ary hisava kanefa tsy nampiseho taratasy momba izany, araka ny loharanom-baovao. Niverimberina ny […]
Tranga
Ambatolampy : Mpanolan-jaza voasambotra
Nosamborin’ny manam-pahefana ny lehilahy iray nikasa hanolan-jaza tao amin’ny fokontany Ankidondona I, kaominina Ambatolampy, ny 11 desambra teo. Norebireben’io lehilahy io ny zazavavy vao 12 taona. Nosarihina hiditra tao amin’ ny trano fonenany. Nikasa hanampatra ny filan-dratsiny ity lehilahy ity kinanjo nikiakiaka sady niantso vonjy tamin’ny manodidina ilay ankizivavy. Nikoropaka […]
Fiara tapaka hisatra : Mpianaka maty nofaohin’ny 4×4
Tsy tana ny ain’ireo mpianaka lasibatry ny lozam-pifamoivoizana tao Ambatondrazaka, afakomaly. Zaza folo taona nofaohin’ilay 4×4 ary nifatratra tamin’ny renim-pianakaviana iray hafa taorian’io. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizan’aina indray tao amin’ ny fokontany Antanifotsy, Ambatondrazaka, ny marain’ ny sabotsy 13 desambra teo, tamin’ny 9 ora. Nandeha mafy avy amin’ny lalana midina ny […]
Olona telo voasaringotra : Vehivavy voaolana namoy ny ainy
Namoy ny ainy ny tovovavy iray niharan’ny fanolanana monina ao Marovahona, fokontany Ambohidralamanga, kaominina Fandriana, omaly. Niharan’ny herisetra tao amin’ ny trano fisotroana iray, tao amin’ny tsenan’Ambatonandriana, ny volana mey lasa teo, io vehivavy io, araka ny angom-baovao. Nitaraina mafy tamin’ny fianakaviany ilay lasibatra ka nentin’izy ireo natao fizahana teny […]
Andraisoro : Telo vavy nangalatra 2 tapitrisa Ar
Nofatoran’izy telo vavy ny mpanampy ka noraofiny ny vola 2 tapitrisa Ar, niampy finday telo sy kojakoja fikarakarana volo, tao amin’ny tokantrano iray, teny Andraisoro, ny 9 desambra teo. Niditra an-tsokosoko tao amin’io tokantrano io ireo mpanao ratsy. Notanan’izy ireo ilay mpanampy. Tsy nahatohitra ity farany ka nofatoran’ireo tsy mataho-tody. […]




