Jiolahy mpamerin-keloka sady tompon’antoka amin’ny fanafihana lavon’ny zandary tao Toamasina, omaly maraina tamin’ny 6 ora sy 10 minitra. Nokarohina hatry ny ela, anisan’ny hiampangana ity olon-dratsy atao hoe Tombozara ity ny fanatanterahana fanafihana mitam-piadiana tao Anjahambe. Voasaringotra tamin’ny fanafihana nahavery vola 11 tapitrisa Ar tao amina tokantrano iray tao Ambatondrazaka […]
Tranga
Andranovelona-RN4 : Taksiborosy hotohoton’ny afo
Tratry ny fifampikasohan’ny herinaratra tao amin’ny faritry ny motera, kila tsy nisy noraisina ny taksiborosy iray mampitohy an’Ambanja sy Antananarivo, omaly atoandro tamin’ny 11 ora. Tsikaritry ny mpamily ity fiara fitateram-bahoaka ity fa nisy olana tao amin’ny motera ka nitarika ny firehetana teo amin’ny Pk 46 +500M, araka ny fanadihadiana […]
Norobain’ny jiolahy ny basy: Zandary iray maty voatifitra
Zandary iray no lavo am-perinasa, omaly maraina. Nisy ny fifampitifirana tamin’ny mpitandro filaminana sy ireo olon-dratsy. Lasan’ireto farany ny fitaovam-piadiany. Namoy ny ainy teo no ho eo, vokatry ny tifitra nataon’ny dahalo, ny zandary iray am-perinasa tao Andriry, kaominina Beraketa, distrikan’i Bekily, omaly maraina tamin’ny 5 ora. Nangalatra omby tao […]
Fianarantsoa : mpamaky trano telo voasambotra
Saron’ny polisy ireo telo mianadahy tompon’antoka tamin’ny famakian-trano tao Fianarantsoa Renivohitra, afakomaly. Naharay fitarainana ny polisim-pirenena ao amin’ny DRSP Haute Matsiatra fa niharan’ny vaky trano ny tokantrano iray anatin’io kaominina io. Naharay loharanom-baovao momba ireo nahavanon-doza izy ireo, taorian’io ka nidina ifotony. Olona telo nahatrarana entana halatra. Vehivavy ny iray […]
Andavamamba : trano 17 levon’ny afo, zazavavy 12 taona naratra
Nentina notsaboina eny anivon’ny hopitaly ny zazavavy iray 12 taona voakasiky ny afo nandritra ny haintrano tao Andavamamba, omaly. Niredareda ny afo, omaly maraina tamin’ny 3 ora. Mpivarotra kodiarana, mpivarotra hazo ary mpivarotra menaka no tena lasibatry ny afo. Nihitatra io firehetana io ka trano toeram-pivarotana miisa 6 may ary […]