Lehilahy nandroba fiara voasambotry ny polisim-pirenena eo anivon’ny Poste avancé Ankorondrano, boriborintany fahatelo, ny alatsinainy 2 febroary teo. Nitondra fiara marika Starex ny renim-pianakaviana iray ary nikasa hividy kojakoja ho an’ny fiarakodia teny an-toerana. Nihaodihaody teo amin’ny fiara ny lehilahy iray mpanao ratsy. Nosokafany io fiara io ary lasany ny […]
Tranga
Olona telo naiditra am-ponja : Renim-pianakaviana notapahin-doha
Naiditra am-ponja afakomaly any Betroka ny telo lahy nikasa hangalatra basy tao amin’ny tokantrano iray. Notapahin’izy ireo ny lohan’ny vehivavy tompon-trano. Voalaza ho sakaizan’ity lasibatra ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Naiditra vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Betroka, ireo telo lahy 19, 28 ary 29 taona, rehefa avy niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana, […]
Fonjan’i Moramanga : Tratra ny roa tamin’ireo gadra 14 nandositra
Efa eny am-pelantanan’ny tomponandraikitry ny fonja ao Moramanga, omaly, ny roa lahy tamin’ireo gadra 14 nandositra. Anatin’ny fikarohana ireo voafonja miisa 12 ambiny izay anisan’ny nandositra tao amin’io fonja io ny tomponandraikitry ny filaminana ao an-toerana, amin’izao fotoana. Nandritra ny fikarohana, roa lahy tamin’ireo tafaporitsaka no tafaverina am-ponja, omaly. Gadra […]
Mpamaky trano : Olona fito voasambotry ny zandary
Mitohy hatrany ny famongorana ny mpanao asa ratsy, iandreketan’ny mpitandro filaminana. Andian-dehilahy miisa enina sy vehivavy iray indray no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Soavina, omaly. Tra-tehaka teny Ankadimbahoaka, teo am-pivarotana entana sy kojakojan-tokantrano halatra, izy ireo. Anisan’ny tratra, tamin’ izany, ny vilany aluminium miisa telo, rice cooker […]
Voaroba 5 tapitrisa Ar : Mpanangom-bokatra maty voadaroka
Raim-pianakaviana iray mpanangom-bokatra no matin’ny daroka teo amin’ny hatony, afakomaly. Voaroba ny vola mitentina 5 tapitrisa Ariary. Nafenina tao anaty bozaka tao Ankerana Avaratra, ny razana. Nifampitadiavan’ny olona akaiky azy, hita faty tao Analandrandirana, antampon’ny Betatamo, kaominina Ankerana Avaratra, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny lehilahy iray, afakomaly maraina. Mpamily kamiao sady voairaka […]





