Tranga

Nifatratra tamin’ny fiara : Mpitondra kodiaran-droa namoy ny ainy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany amin’ny lalam-pirenena fahafito, ny sabotsy 31 janoary 2026, tamin’ny 03 ora sy sasany tolakandro. Niseho teo amin’ny PK 63 + 500, Talakimaso, fokontany Miadamanjaka, kaominina ambanivohitra Manjakatompo, distrika Ambatolampy, ny loza. Nidofitra mafy tamin’ny fiara iray, sprinter mpitatitr’olona, ny kodiaran-droa marika France Rider notaingenan’olon-tokana. […]

Fanafihan-jiolahy : Tokantrano roa voaroba 17 tapitrisa Ariary

Norobain’ny jiolahy mitam-piadiana ny tokantrano miisa roa tao amin’ny kaominina Faratsiho, ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady teo, tamin’ny 11 ora. Lasa ny vola an-tapitrisany. Lasan’ny olon-dratsy ni­tam-basy ny vola mitetina 17 tapitrisa Ar tao amin’ny tanànan’Antsampa­nimahazo Avaratsena, fokontany Avaratrakolahy, kaominina Faratsiho, ny alin’ny sabotsy 31 janoary teo. Na­se­sin’ireo tsy […]

Taxi-be 141 tapaka hisatra : Ramatoa iray namoy ny ainy, efatra naratra mafy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy Andravoahangy, omaly maraina, tokony ho ta­min’ny 4 ora latsaka fahefany. Niseho teo amin’ny lalana Ha­gamainty ny loza. Fiara mpitatitr’olona, zotra 141 iray, tapaka hisatra. Avy any Ambato­mainty ary hihazo ny Rond point Hagamainty io fiara io. Niala ny arabe izy ka nifatratra sy nandona […]

Ambohipaly : Tovolahy 30 taona, hita faty

Tovolahy iray manodidina ny 30 taona hita faty tao Ambo­hi­paly, kaominina Arivonimamo I, omaly folakandro tamin’ny 03 ora. Nahatsikaritra olona efa tsy nisy aina intsony sy nivalampatra tamin’ny tany ny olona sendra nandalo ka nampandre ny manodidina sy ny tomponandraikitra. Nampandre­ne­sina mahakasika ny zava-misy ihany koa ny mpitandro filaminana any […]