Lasa nitsoaka niaraka tamin’ny vola mitentina 3 700 000 Ariary sy ankizivavy 14 taona, kilasy fahavalo, ny lehilahy 21 taona, antsoina hoe: Tiavina, afakomaly hariva. Mpanampy an-trano tetsy Anosibe Tsena izy io. Mpivarotra yaourt mandehandeha ny asan’ny renin’ ilay ankizivavy nitsoaka niaraka tamin’io mpanampy io. “Lasa nivarotra maraina toy ny mahazatra […]
Tranga
Asan-jiolahy tao Toamasina : Roa lahy voaheloka higadra 10 taona
Tsy mitsitsy ny sazy! Roa lahy voaheloka asa an-terivozona 10 sy 7 taona, taorian’ny fitsarana azy ireo teo anivon’ ny Fitsarana misahana ny ady heloka bevava ao Toamasina, afakomaly. Vokatry ny firongatry ny asan-jiolahy izay efa mampikaikaika ny rafi-piarahamonina ao an-toerana, tsy mandefitra manoloana ny fandikan-dalàna ataon’ny olon-dratsy ny mpitsara. […]
Behoririka : Ankizivavikely maty voahitsaky ny taxi-be
Voahitsaky ny fiara fitateram-bahoaka tetsy Behoririka, omaly tolakandro, ny ankizivavy 8 taona. Novonjena tany amin’ny hopitaly izy saingy tsy tana ny ainy. Nisehoana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy amin’ ny lalana Razafindramanta, Behoririka, omaly tokony ho tamin’ny 2 ora sy 15 minitra tolakandro. Niseho teo akaikin’ ny fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka […]
Talatamaty : Mpitondra moto saika notetezin’ny kamiao
Lehilahy nitondra moto scooter tra-doza teny amin’ny lalam-baovao mampitohy an’ Ambohitrimanjaka sy Andranotapahina, teo amin’ny Ankadivory, kaominina Talatamaty, afakomaly. Nandeha irery tamin’ny moto, nivilavila io lehilahy io. Tsy nahafehy ny familiana intsony ka nidona tamin’ny sisin’arabe. Poa toy izay, nipitika ilay mpitondra moto ary saika nifatratra tany ambanin’ny kamiao iray […]
Nisoloky vola 15 tapitrisa Ar : Lehilahy voasambotry ny polisy
Notanana am-ponja, omaly, miandry ny fotoam-pitsarana azy, ny lehilahy iray tratra nisoloky vola an-tapitrisany, tao amin’ny kaominina Ambondromiditra, faritra Amoron’i Mania. Nitrangana fisolokiana ny renim-pianakaviana iray, tao amin’ny tanànan’Ambondromiditra, ny volana novambra lasa teo. Norebireben’ny olon-dratsy io ramatoa io. Nakany vola mba hampiasaina amin’ny asa hahazoana lelavola. Nanome lelavola 15 […]




