Tranga

Norobain’ny jiolahy ny basy: Zandary iray maty voatifitra

Zandary iray no lavo am-perinasa, omaly maraina. Nisy ny fifampitifirana tamin’ny mpitandro filaminana sy ireo olon-dratsy. Lasan’ireto farany ny fitaovam-piadiany. Namoy ny ainy teo no ho eo, vokatry ny tifitra nataon’ny dahalo, ny zandary iray am-perinasa tao Andriry, kaominina Beraketa, distrikan’i Bekily, omaly maraina tamin’ny 5 ora. Nangalatra omby tao […]

Fianarantsoa : mpamaky trano telo voasambotra

Saron’ny polisy ireo telo mianadahy tompon’antoka tamin’ny famakian-trano tao Fianarantsoa Renivohitra, afakomaly. Naharay fitarainana ny polisim-pirenena ao amin’ny DRSP Haute Matsiatra fa niharan’ny vaky trano ny tokantrano iray anatin’io kaominina io. Naharay loharanom-baovao momba ireo nahavanon-doza izy ireo, taorian’io ka nidina ifotony. Olona telo nahatrarana entana halatra. Vehivavy ny iray […]

Famonoana karana mpandraharaha: Karohina ireo jiolahy roa tsy nisaron-tava

Nandrasan’ny jiolahy kendry tohina, namoy ny aina vokatry ny tifitra ny teratany karana iray mpandraharaha tao Mahajanga, ny faran’ny herinandro teo. Ifampitadiavana ireo nahavanon-doza. Voan’ny bala nifanandrify ny ilan’ny kibony havanana, maty tsy tra-drano ny teratany karana iray 57 taona tao Mahajanga Re­nivohitra, ny harivan’ny zoma teo, tamin’ny 6 ora […]

Zaza voaolana: naiditra am-ponja ny anadahin-dreniny

Notanana vonjimaika any am-ponja ilay lehilahy nanolana ny zanak’anabaviny tao Ambohitrandriana, kaominina Vinany, distrikan’i Mandoto, afakomaly. Nanamparan’io tsy valahara io ny filan-dratsiny ilay zaza tsy manan-tsiny vao 13 taona monja. Nandritra ny lanonam-pamadihana tao amin’ny tanànan’izy ireo, norebireben’io lehilahy io ilay zazavavy ka nararaotiny naolana. Nitaraina vokatry ny tranga nianjady […]