Misesisesy ny fahitana fatin’olona eto amin’ny Nosy, tato ho ato. Renim-pianakaviana iray sy tovolahy iray hita faty tetsy Sabotsy Namehana sy By-pass, omaly maraina. Nahitana ratra sy ra ny vavan’ilay tovolahy, raha tsy nahitana ratra kosa ilay ramatoa. Nahitana fatim-behivavy iray manodidina ny 50 taona eo ho eo tetsy Andoharano, […]
Tranga
Mangarivotra : Lavon’ny balan’ny polisy i Mainty
Nirefotra ny basy tany Mangarivotra, ny alahady hifoha alatsinainy lasa teo. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ ny polisy sy ireo jiolahy mpamaky trano tany amin’ny fokontany Mangarivotra, Ankirihiry, Cité Haras, Toamasina. Lavon’ny balan’ny polisy avy amin’ny Unité d’intervention rapide (UIR) nandritra izany ny jiolahy iray, fantatra amin’ ny anaram-bositra hoe : […]
Fanolanana ankizivavy 15 taona: Mpivady niara-naiditra am-ponja
Niakatra fampanoavana ny 5 desambra teo, tany amin’ny fitsarana Tolagnaro, ny ombiasy iray sy ny vadiny. Naiditra vonjimaika am-ponja any amin’ny Tolagnaro izy ireo taorian’ izay. Voarohirohy tamin’ny fanolanana ankizivavy 15 taona tany Mangarivotra, fokontany Amboanato, kaominina Tolagnaro, ny 26 novambra 2025 lasa teo izy ireo. Tsiahivina fa nisy nanolana […]
Namoy ny ainy teny Ambohimanarina : Zaza herintaona kendan’ny letisia
Ankona ny fianakaviana. Maty kendan’ny letisia ny zazalahikely vao herintaona sy tapany. Tsy fantatra mazava ny zava-niseho fa tsy tao an-trano ny ray aman-dreniny. Nentina nialana nenina teny amin’ny tobim-pahasalamana saingy tsy tana ny ainy. Andro miditra sa tsy fitandremana! Namoy ny ainy vokatry ny loza tampoka ny zazalahy vao […]
Ambolokandrina: Mpanendaka niharan’ny fitsaram-bahoaka
Naratra mafy niharan’ny daroka sy vono vokatry ny hatezeran’ny fokonolona ny mpanendaka iray, teny Ambolokandrina, boriborintany faharoa, ny sabotsy teo, tamin’ ny 11ora alina. Olon-tsotra taraiky fodiana no lasibatry ny mpanao ratsy. Miisa efa-dahy ireo mpanendaka ka naka ny finday teny amin’ny lasibatra, tsy lavitra ny tetezana Ambolokandrina. Nanohitra ireto […]




