Tranga

Zaza valo taona novonoin-drainy : Notapahina ny tendany, notrobarana antsy ny fony

Novonoin’ny raim-pianakaviana iray ny zanany lahy vao valo taona monja. Notapahiny tamin’ny antsy ny tendany, notrobatrobarany ny tratrany. Namono tena tamin’ny poizim-boalavo ilay nahavanon-doza fa tsy maty. Maty novonoin-drainy ta­min’ny antsy ny zanany lahy vao 8 taona, tany Ambatolava, fokontany Ambatomahamanina, kaominina Ambohitrabiby, distrikan’ Antananarivo Avaradrano, ny alarobia 28 janoary […]

Fanaovana taratasy hosoka: Teratany vahiny tra-tehaka tetsy Ilanivato

Tra-tehaky ny polisim-pirenena tetsy Ilanivato, ny alarobia 28 janoary 2026 lasa teo, ny lehilahy iray, teratany vahiny, voarohirohy tamin’ny resaka halatra sy fanaovana taratasy hosoka. Nahazo fitarainana maro avy amin’ny olon-tsotra ny polisy miasa ao amin’ny PPA3 Ilanivato. Tsy niandry ela fa nidina ifotony nanao ny fanaraha-maso izy ireo, taorian’izay. Vokany, […]

Vokatry ny ora-nikija: Zaza telo maty nirodanan’ny trano

Tra-doza vokatry ny rotsakorana diso tafahoatra ny fianakaviana iray tao Ambohimarina, Andramasina. Telo mianadahy maty nianjeran’ny trano, telo hafa avotra soa aman-tsara, ny 27 janoary lasa teo. Ankizy telo mianadahy (14 sy 9 ary 4 taona) niara-maty nirodanan’ ny trano biriky misy rihana iray tany Tsibeomby, fokontany Ambohimarina, distrikan’­An­dra­masina, ny […]