Tranga

Raharaham-pitsarana: olom-boafidy very vola 9 tapitrisa Ar

Hiakatra fitsarana ny 22 aogositra izao ny raharaha momba ny fahaverezana vola 9 tapitrisa Ar mahery an’ny olom-boafidy iray tao amin’ny trano fandrasaim-bahiny iray ao Foulpointe. Niaraka tamin’ny vady aman-janany, nametraka ny entany rehetra tao amin’io toerana io ilay solombavambahoaka. Na­na­ra­raotra nivoaka izy mianakavy ary nanidy ny efitrano voatokana ho […]

Foulpointe: mpitondra fivavahana naiditra am-ponja

Miseholany ny fampidirana am-ponja mpitarika fiangonana ao amin’ny faritra Atsinanana. Voasaringotra ho nanao taratasy hosoka ny presibitera iray. Mpitarika fivavahana iray ao amin’ny fiangonana fanta-daza ao Mahavelona Foulpointe, naiditra am-ponja vonjimaika ny fiandohan’ny volana aogositra teo. Taorian’ny famotorana azy, teo anivon’ny fampanoavana, fitsarana ambaratonga voalohany, araka ny fitoriana nataon’ny lehiben’ny […]

Fifandonana tamin’ny dahalo: zandary iray sy mpanaradia telo naratra

Naratra nandritra ny fifandonana tamin’ny dahalo ny zandary iray am-perinasa sy ny telo tamin’ireo mpanaradia nandritra ny famerenana ireo omby ampolony voaroba tao Ambovogna, fokontany Ivohibe Avaratra, kaominina Ivohibe, ny 6 aogositra teo. Nalain’ny dahalo ny omby 67. Nanao hazalambo avy hatrany ny fokonolona niampy ny mpitandro filaminana. Nitondra fitaovam-piadiana […]

Tsy nahazaka adim-piainana: renim-pianakaviana maty nananton-tena teo ambony hazo

Mafy ny fiainana! Hita faty nihantona tamin’ny tady, nikirozaroza teo ambony hazo ny renim-pianakaviana iray. Ankoatra ny fikorotanan-tsaina, misy ny mamono tena. Hatairana ny an’ny mponina manodidina tao amin’ny fokontany Am­bo­himitsinjo,  kaominina Bevo­notra, distrikan’i Sam­bava, omaly tamin’ny 7 ora maraina. Ramatoa iray, 50 taona, monina ao anatin’ny tanànan’i Bevoay no […]

Fanafihan-jiolahy: voaroba ny vola 11 tapitrisa Ar

Lasan’ny jiolahy mitam-piadiana ny vola nitentina 11 tapitrisa Ar tao amin’ny tokantrano iray ao Ambatomitsan­gana, kaominina Ambohi­tram­bo, distrikan’Arivonimamo, afa­ko­maly alina. Niditra an-keriny tao amin’io trano io ireo mpandroba tamin’ny 10 ora alina. Nihanika teo amin’ny lavarangan’ny trano ny roa lahy. Nosimbainy ny hidim-baravarana ka tafiditra tao ambony rihana izy ireo. […]