Maty tsy tra-drano ny mpandeha roa tamin’ireo enina tao anatin’ny fiara tsy mataho-dalana iray tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, tao amin’ny distrikan’Antanifotsy, ny 5 desambra lasa teo. Niainga avy eto Antananarivo, nikasa hihazo an’Antsirabe io fiara io. Hiditra ny tanànan’ Andalamaty, fokontany Masoandro, kaominina Ampitatafika, PK 91 + 800, nivoaka […]
Tranga
Mandripaka ny varatra : Lehilahy nilatsaham-potaka teo ambony bisikileta
Niongana teny ambony bisikileta notaingenany ny lehilahy iray, afakomaly. Nilatsaham-baratra teny an-dalana izy, tao Ihazomay, Ankadinondry. Tafakatra valo ny olona matin’ny varatra tao anatin’ny telo herinandro. Namoy ny ainy teo am-pitaingenana bisikleta ny raim-pianakaviana iray, tao amin’ny fokontany Ihazomay Atsimo, kaominina ambanivohitra Ankadinondry, distrika Tsiroanomandidy, afakomaly. Nikasa hamonjy fodiana io […]
Fiara nifandona : Olona 14 naratra tetsy Andohatapenaka
Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tetsy amin’ny Digue Andohatapenaka, omaly atoandro tamin’ny 11 ora sy sasany. Nifandona tamin’ny fiara fitateram-bahoaka zotra D nifanena taminy, ny fiara 4*4 marika Galloper iray. Nandeha mafy avy any amin’ny Art malagasy Ambohitrimanjaka hihazo an’Antananarivo io fiara namoa-doza io. Tsy nahatana familiana ny mpamily ka nifatratra sy […]
Soanierana Ivongo: Lehilahy naiditra am-ponja
Nentina teo anatrehan’ny fampanoavana, notanana vonjimaika any am-ponja omaly, ny lehilahy iray mpivarotra zava-mahadomelina tao Soanierana Ivongo. Nitoroka teny anivon’ny biraon’ny polisy miasa ao an-toerana ny olon-tsotra iray momba ny fisiana lehilahy mihazona sakaosy feno rongony. Nitsirika io olona voalaza io teny amin’ny lalan’i Menantany amin’ny RN5, ny mpitandro filaminana. […]
Fanafihana mitam-piadiana : Jiolahy roa maty voatifitra, dimy azo sambo-belona
Natao fanadihadiana omaly, ireo jiolahy dimy voasambotry ny polisim-pirenena tao Ambatondrazaka. Roa lahy hafa maty voatifitra. Fikambanan-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana sady mpanao herisetra ravan’ny polisim-pirenena, tao Ambatondrazaka, ny alakamisy 4 desambra lasa teo. Nirongatra ny asan-jiolahy tao amin’io distrika io. Nandray andraikitra ny ekipan’ny polisim-pirenena miasa ao amin’ny sampandraharahan’ny Fikarohana […]




