Tranga

Nikasa hangalatra voninkazo : Lehilahy roa voasambotry ny zandary tetsy Itaosy

Voasambotry ny zandary tetsy Itaosy ny lehilahy miisa roa, afakomaly alina. Nikasa hangalatra voninkazo tao amin’ny trano iray andalam-panamboarana eny an-toerana izy ireo. Lehilahy roa saika hangalatra voninkazo, tratra teny Ankaraoka, fokontany Vo­ne­lina, kaominina Fiom­bonana, Itaosy, afakomaly 27 janorary 2026, tamin’ny 11 ora alina. Efa hitan’ny fokonolona sy ny mponina […]

Fanakorontanana filaminam-bahoaka: Tanora 15 voasambotry ny polisin’ny UIR

Tanora miisa 15 voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny Unité d’intervention rapide (UIR), tao Tanamakoa, ny talata 27 janoary 2026 lasa teo. Anisan’ireo andian-jatovo mpanakorontana ny filaminam-bahoaka ao Toamasina izy ireo. Eo ny fanaovana ady eny an-dalambe, fangalarana amin’ny endriny maro samihafa ary ny fitabatabana amin’ny alina. Efa maro ny […]

Ankazobe : Nahitana taolambalo niparitaka teny an-tanimbary

Nahitana taolambalo efa niparitaka teny andrefan-tanànan’i Manjaka, fokontany Voninahitrinitany II, disitrika Ankazobe, ny 26 ja­noary 2026, tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany folakandro. Olona sendra nandalo no nahatsikaritra izany tany anaty tanimbary ka nampandre ny tomponandraikitra. Tonga teny ifotony nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadiha­diana ny zandary miasa […]

Niandry omby : Tovolahy roa niara-maty nilatsaham-potaka

Mahazo vahana ny olona maty hilatsaham-potaka tao anatin’ny hateloana. Lasibatra indray ny tovolahy miisa telo, tao Analavory. Vokany, maty ny roa. Maratra sy may ny naman’izy ireo iray. Nirefotra mafy ny varatra tany atsimon’ny tanànan’i Anosivola, fokontany Aminaviavy, kaominina ambanivohitra Analavory, ny 25 janoary 2026 tokony ho tamin’ny 04 ora […]

Nilatsaham-potaka: Raim-pianakaviana 65 taona namoy ny ainy

Lehilahy iray, 65 taona, maty nilatsaham-potaka teny an-tampon-tanety, tany Ampa­rihibe, kaominina Ambatoma­noina, distrika Anjozorobe, afakomaly, tamin’ny 2 ora to­lakandro. Mpandalo no nahita olona nitsirara teo amin’ny arabe ka nampandre ny sefo fokontany sy ny mponina tany an-toerana. Vory lanona ny fo­konolona, tonga teny an-toerana ihany koa ny havan’ny niharam-boina. Olona […]