Tranga

Tsy salama saina: vehivavy voalaza fa very, hita faty notapahin-doha

Voalaza fa tsy hita popoka ity vehivavy iray tsy salama saina. Hitan’ny fokonolona anefa ny vatana mangatsiakany efa notapahin-tenda, omaly. Mbola ifampitadiavana ny lohany. Vehivavy 59 taona hita faty tsy nisy loha intsony tao amin’ny Andrano­mia­diloha, kaominina Ampi­tana, distrikan’Ambohi­maha­soa, omaly. Nanao filazana tamin’ny radio ny fianakaviany fa tsy hita ny […]

Ambanja: Congolais enina tra-tehaka

Congolais miisa enina nosamborin’ny zandary tao Ankatafahely, kaominina Ambanja, ny 2 aogositra teo. Nipetraka tao amin’ny trano fandraisam-bahiny iray tao an-toerana izy ireo. Nikasa hiondrana antsokosoko hihazo ny nosy Mayotte. Nanao ny fisavana ny mpitandro filaminana ka tsy nahitana antontan-taratasy mazava teny amin’izy ireo. Renim-pianakaviana iray, 35 taona, niampy ireo […]

Ambatoroka: nipotsaka ny atidohan’ilay mpitondra moto

Nandriaka ny ra! Niparitaka teo amin’ny arabe ny atidohan’ny lehilahy iray nitondro moto voahitsaky ny kamiao teo Ambatoroka, omaly. Voahitsaky ny kamiao, niparitaka tamin’ny ara­be ny atidohan’ny raim-pianakaviana iray tra-doza teny Ambatoroka, Boriborin­tany faharoa, omaly tolakandro. Saika isan’andro tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny fandehanana mafy sy ny tsy […]

Fiondranana antsokosoko: teratany vahiny 14 naiditra am-ponja

Niara-notanana vonjimaika any am-ponja, ny faran’ny herinandro teo, taorian’ny fampanoavana, ireo teratany vahiny 14 niampy Malagasy 10 nikasa hivoaka antsokosoko ny fari-dranomasina tao Ambalabao, fokontany Marovato, kaominina Ankaramy, distrikan’Analalava. Voasambotry ny mpitandro filaminana nanao fisafoana tampoka tao amin’io toerana io ireo somalianina ampolony ireo niaraka tamin’ny Malagasy, ny 23 jolay […]