Tovolahy 25 taona nisotro ranom-panafody famonoana bibikely atao hoe « Ultracide », omaly hariva tamin’ny 6 ora sy sasany hariva. Niseho tao Anonoka, fokontany sy kaominina Sadabe, distrikan’i Manjakandriana, ny tranga. Nentin’ny fokonolona tany amin’ny CSB2 Sadabe izy rehefa hitan’ny olona fa niha nalemy sy reraka. Nahazo antso avy amin’ny sefo fokontany […]
Tranga
Andravoahangy : Lehilahy 40 taona maty tampoka
Lehilahy iray, tokony ho 40 taona, maty tampoka tetsy amin’ny tsenan’Andravoahangy, omaly maraina. Mbola hitan’ny olona nandehandeha teny an-toerana izy talohan’ny fotoana nitrangan’ny loza. Naka aina sy nipetraka ary natoritory teo amin’ny sisin-dalana izy. “Vetivety teo, niantsambotra izy ary toa ireny olona miala aina ireny”, hoy ireo nanatri-maso teny an-toerana. […]
Nilalao teo amoron-drano : Zazalahikely efa-taona maty an-drano
Maty an-drano tany amin’ny fokontany Andriaka, Sadabe, ny zazalahikely vao efa-taona monja, ny 22 janoary hariva teo. Variana niasa teny an-tsaha ny ray aman-dreniny, nandeha nilalao rano ilay zaza. Zazalahikely iray, vao efa-taona, maty an-drano tany amin’ny fokontany Andriaka, kaominina Sadabe, distrikan’i Manjakandriana, afakomaly tamin’ny 6 ora hariva tany ho […]
67 Ha sy Alasora: Lehilahy telo tratra namaky trano sy nangalatra
Lehilahy miisa telo indray voasambotry ny polisim-pirenena omaly vao maraim-be. Tratra nangalatra sy namaky tranon’olona tetsy 67 Ha sy teny amin’ny kaominina Alasora izy ireo. Nahazo antso avy amin’ny olon-tsotra ny polisy ao amin’ny CSP7 67 Ha, izay nanatanteraka ny hetsika: « Opération mahomby ». Tsy niandry ela fa nidina ifotony avy […]
Mandrosoa Ivato : Lehilahy iray nahatrarana rongony
Lehilahy iray tratran’ny polisim-pirenena miasa ao amin’ny kaomisaria Ambohidratrimo nivarotra rongony tetsy Mandrosoa Ivato, ny alarobia 21 janoary, tamin’ny 1 ora sy sasany tolakandro. Nahazo angom-baovao avy amin’ny olon-tsotra ny polisy fa misy olona mivarotra rongony eny an-toerana sy ny manodidina. Nidina ifotony avy hatrany izy ireo, taorian’izay, ka nahafahana […]





