Maty teo no ho eo ny mpanao taxi-moto iray ary lasan’ny jiolahy ny moto nentiny teny Ambohimanambola, ny alin’ny talata teo, tamin’ny 8 ora. Notifirin’ny jiolahy tamin’ny basy, voan’ny bala teo amin’ny tratrany havia ka namoy ny ainy ny mpanao taxi-moto iray teny Ambohibato, kaominina Ambohimanambola, afakomaly. Nahare antso vonjy […]
Tranga
Anjozorobe: Raikely voatondro ho nanolana ny zana-badiny
Nosamborin’ny zandary tao Ambatomanoina, distrikan’ Anjozorobe, ny lehilahy iray voarohirohy tamin’ny tranga fanolanana, afakomaly. Ankizivavy vao 14 taona monja nitaraina tamin’ny fianakaviana manodidina. Nanafina tamin’ny reniny io zaza io noho ny tahotra an’ilay raikely. Nitoroka tampoka teny anivon’ny zandarimaria anefa ny mpiray vodirindrina amin’io fianakaviana nitrangana fihetsika mamoafady io, nitatitra […]
Mpanakalo vola nisy namono: Olona dimy voasazy higadra mandra-pahafaty
Niakatra fitsarana, tetsy anivon’ny ady heloka bevava Anosy, efitrano fahadimy, ny raharaha famonoana raim-pianakaviana 59 taona, mpanakalo vola vahiny, tetsy Analakely, ny volana janoary 2025. Nahatratra 21 ireo olona voarohirohy tamin’io raharaha io. Olona dimy voasazy higadra mandra-pahafaty. Lehilahy iray hafa voasazy higadra 20 taona an-tranomaizina. Izay tsy tonga niatrika […]
Fiara nifaoka olona anaty fiampitana : Olon-dehibe roa maty, ankizy dimy naratra
Volana anisan’ny itrangana lozam-pifamoivoizana maro ny desambra. Tao anatin’ny 24 ora, lehilahy iray maty, ankizy dimy naratra. Tompon’antoka ny fiara nipoitra tampoka, nifaoka mpandeha an-tongotra anaty fiampitana. Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana tra-doza teo Ankorondrano, omaly alina. Tompon’antoka tamin’izany ny fiara marika Starex iray nipoitra tampoka ka nifaoka mpandeha an-togotra […]
Fisandohana sy fisolokiana: Pasitera iray voaheloka higadra 5 taona
Niakatra tetsy amin’ny Fitsarana ambony Toamasina, sampana misahana ny ady heloka bevava, ny alatsinainy 24 novambra teo, ny antotan-taratasin’ady lah. 83-Toa/25. Hanenjehan’ny fitsarana an-dRamilison Jean Emile, pasitera amin’ny fiangonana zandriny iray ao amin’ny kaominina Ambanivohitra Toamasina izy ity. Anisan’ny loham-piampangana azy ny fihazonana olona an-keriny (séquestration de personne) sy fisandohana […]




