Manao ranolava ny asan-jiolahy ao Toamasina. Jiolahy miisa efatra indray niara-maty, lavon’ny balan’ny polisy, tany an-toerana, omaly alina. Nitondra anarana “Bandes de 6” ireo olon-dratsy ireo. Nikasa hanafika mpandraharaha iray ao Antanandava Toamasina II, ny andian-dehilahy miisa enina, nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, toy ny basy lava “fusil à pompe”. Nampandre […]
Tranga
Asa fosika any Canada sy Suisse : Mpisoloky efatra voasambotry ny polisy
Voasambotry ny polisy ny mpisoloky miisa efatra, ny faran’ny herinandro teo. Milaza ho mahita asa any Canada sy Suisse izy ireo. Teratany pakistanais ny iray izay mivarotra pasipaoro sandoka 6 000 hatramin’ny 8 000 dolara. Manoloana ny firongatry ny fisolokiana mifandraika amin’ny famarinan’olona, nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly, ny eo […]
67 Ha: Jiolahy telo lavon’ny balan’ny polisy
Nisehoana fifandonana mahery vaika teo amin’ny andian-jiolahy sy ny polisy avy ao amin’ny Unité d’intervention rapide (UIR) Tsaralalana, ny sabotsy maraina, tetsy 67 Ha, akaikin’ny fiantsonan’ny fiara zotra 119. Jiolahy miisa telo maty voatifitra nandritra ny fifanjevoana teo amin’ny roa tonta. Poa-basy maro no henon’ny mponina nandritra ny fotoana vitsy […]
Ankazomanga : Lehilahy iray maty nananton-tena
Lehilahy iray 35 taona, maty nananton-tena tamin’ny tady tetsy Ankazomanga atsimo, ny alin’ny zoma lasa teo. Niara-nipetraka tamin’ny reniny izy ary nilaza ny handeha hamonjy toeram-pivoahana tamin’ny 9 ora alina. Tsy niverina intsony anefa izy ary nivoaka nitady azy ny reniny. « Nihidy be ny toearam-pivoahana ary nandeha nitady azy hatrany […]
Horohorontany teto Antananarivo: Nandrodana trano sy nandratra ankizy
Nahatratra 5,6 amin’ny maridrefy Richter, naharitra 5 segodra ny horohorontany nitranga teto Antananarivo, afakomaly. Mafimafy ny fihozongozonana ka nisy ny trano nirondana sy nitriatra. Nisy ankizivavikely dimy taona, naratra tao Avaratsena, Soavinandriana. Nitrangana horohorontany mahery vaika teto Madagasikara, ny sabotsy atoandro lasa teo tamin’ny 11 ora sy 32 minitra. Tany […]





