Tranga

Soarano : Nitokona ny mpivarotra amoron-dalana

Nilanja sorabaventy, nidina an-dalambe naneho ny tsy fankasitrahany ny fanakanana azy ireo hivarotra amoron-dalana ireo mpivarotra teny amin’ny manodidina an’i Soa­rano, boriborintany voalohany, omaly. Nivondrona ka nampiantso mpanao gazety ireo solontenany. “Tsy mankasi­traka ny fanakanana anay tsy hivarotra izahay. Misy fana­vakavahana. Nahoana misy avela malalaka hivarotra ary misy tsy avela”, […]

Zaza narina an-davapiringa : Notanana am-ponja ny reniny

Naiditra am-ponja, omaly, ny renim-pianakaviana iray nanary an-janany tao an-davapiringa, tao Atalata Atsinanana, distrikan’Ambohimahasoa. Zaza menavava hitan’ny fokonolona tao anaty lavapiringa, ny 27 novambra lasa teo. Tsy nahatsikaritra ny fisian’io tranga io ny tompon-tanàna. Nikasa hanao ny filàny tao anatin’io toerana io ny olon-tsotra iray kinanjo nahita ilay fatin-jaza. Nifangaro […]

Tamboho nihotsaka : Efa-mianaka niara-maty teny Soavina

Niara-maty, nirodanan’ny tamboho tao an-trano, ny olona efa-mianaka, omaly, teny Ambavihy, Soavina. Tsy nisy tafavoaka, tototry ny tany, biriky sy béton izy ireo nandritra ny torimasony. Nirodana vokatry ny orambe tsy niato ny tamboho iray tetsy amin’ny fokontany Ambihivy, kaominina Soavina, disitrikan’ Atsi­mondrano, ny alin’ny alakamisy hifoha zoma, tamin’ny 11 […]

Lehilahy roa voasambotra : Vola sandoka 2 tapitrisa mahery saron’ny polisy

Saron’ny polisy avy amin’ny CUI Toamasina, faritra Atsinanana, afakomaly, ny lehilahy roa 30 sy 40 taona. Voarohirohy tamin’ny fikirakirana sy fanapariahana vola sandoka izy ireo. Nahatrarana vola sandoka mitentina 2 400 000 Ariary tany amin’ireto olon-dratsy ireto. Tratra nikirakira sy nifampizara vola tsy tena izy 20 000 Ariary, nanoloana ny Bazary kely […]

Vaky trano eny Itaosy: Jiolahy roa voasambotra

Nifanenjehan’ny fokonolona. Jiolahy roa voasambotra teny amin’ny kaominina Bemasoandro Itaosy sy Ambohima­mory, omaly. Matetika hitrangana vaky trano sy hala-boty eny amin’io faritra io. Nahare fisian-javatra hafahafa, mailo ny tompon-trano ka nitazana ivelan’ny trano tao Bemasoandro. Olon-dratsy efa nikasa hamaky ny trano no hitan’izy ireo. Niantso mpitandro filaminana avy hatrany ny […]