Ramatoabe iray handeha hiantsena vao maraina no maty voadonan’ny fiara teny Ampasampito, ny sabotsy maraina teo. Tafatsofoka tao ambany fiara izy ka tsy mba nialana nenina akory. Handeha hiantsena vao maraina izy no tra-doza. Araka ny fitantaran’ireo olona nanatri-maso, nandeha mafy ilay tovolahy teo ambony familiana ka tsy nahafehy lalana […]
Tranga
Talata Volonondry: jiolahy tratra nangalatra hidin-drano
Voasambotry ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Talata Volonondry, ny sabotsy teo, ny jiolahy iray tompon’antoka amin’ny fangalarana vy fanao hidin-drano eny amin’ny tohodrano. Tao Sahanandriana no nahatrarana azy. Tratra teny aminy ny tsatoby lava roa famoahana sy fanidiana rano amina tohodrano manondraka ny saha eny Ambohitrangano. Vesatra hanenjehana azy […]
Tsy misy porofo: nivoaka ny fonja tany Londres Andrianarisoa Romy Voos
Nivoaka ny fonja tany Royaume Uni Andrianarisoa Romy Voos, talen’ny kabinetra teo aloha, eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Tany amin’ny fahitalavitra vahiny, TV5 Monde, no nosafidiany nizarana ny vaovao sy nitondrany fanazavana. Nomelohin’ny fitsarana anglisy 42 volana, sazy an- tranomaizina, izy noho ny resaka kolikoly. Voalaza fa tratra ambodiomby izy […]
Tompon’antoka ny vadiny: ramatoa maty nokendaina lambahoany
Sady mpampirafy no mpamono olona! Nosamborin’ny zandary ny lehilahy iray nanakenda ny vadiny tamin’ny lambahoany. Niray tsikombakomba tamin-drangahy ny vadikeliny. Voasambotry ny zandary ny faran’ny herinandro lasa teo ny raim-pianakaviana iray, tany Miantsoarivo, distrikan’Arivonimamo. Voampanga ho namono nahafaty ny vadiny izy sy ny vadikeliny. « Efa niaiky ny helony izy […]
Fitrandrahana ala tsy ara-dalàna : dimy lahy naiditra eny Tsiafahy
Notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ireo mpikambana ao anatin’ny tambajotra mpitrandraka hazo sarobidy tra-tehaky ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, afakomaly. Nitatitra hazo voamboana tao anaty kamiao, voasavan’ny mpitandro filaminana tampoka ka noraisim-potsiny ireo mpitrandraka. Miisa 122 ireo karazan-kazo sarobidy tsy azo trandrahana. Nahitana karazan-kazo sarobidy hafa […]